Alahady 24 Marsa 2024
(Hoy Jesosy :) Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany, ka nasehonao tamin’ny zaza madinika. Matio 11:25
Any amin’ny faran’ny bokin’ny Ohabolan’i Solomona dia misy toko iray nosoratan’i Agora. Io toko io dia manomboka amina fanambarana manaitra, hoe : „Tsy manan-tsain’olombelona aho. Tsy nianatra fahendrena aho, na nahazo fahalalana ny Iray Masina” (Ohabolana 30:2-3).
Agora dia nahatsapa lalina ny halehiben’Andriamanitra, ka nanambara fa tsy afaka mahafantatra Azy mihitsy. Izany indrindra no dingana voalohany ho amin’ny tena fahendrena sy faharanitan-tsaina araka an’Andriamanitra, hoy i Solomona amintsika : „Raha… ampitandremanao fahalalana ny fonao… Raha… mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena nafenina (ianao), dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa Jehovah no manome fahendrena” (Ohabolana 2:1-6).
Tsy be hambo i Agora, tsy nitoky amin’ny tenany izy, ary nangataka hoe : „Aza manome ahy alahelo na harena… fandrao, raha voky aho, dia handà (Anao)… Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro” (Ohabolana 30:8-9). Asehony amin’izany fa matahotra an’Andriamanitra izy, ka tsy te hanala baraka Azy. Ary „ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena” (Ohabolana 9:10).
Hamafisin’i Jesosy koa fa Andriamanitra dia manafina ireo zavatra momba Azy amin’ny hendry sy ny manan-tsaina, ary manambara izany amin’ny ankizy kely. Izany tsy akory tsy midika hoe tsy tokony hanana saina mitsikera mihitsy isika, fa mba tian’Andriamanitra isika hatoky Azy tanteraka, toy ny ankizy kely matoky ny ray aman-dreniny, satria Izy mahafantatra antsika tsara kokoa noho isika.