Alatsinainy 25 Marsa 2024
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko — Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo. Isaia 55:3
Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho. Salamo 50:7
Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra. Salamo 46:10
Tsy misy finday, tsy misy Wifi, tsy misy GPS, tsy misy Bluetooth… Any Green Bank, any Virginie-Andrefana, ilay „tanàna mangina indrindra any Amerika”, no misy ny Toerampitiliana ahitana ny fitoavana azo ahodina lehibe indrindra eto an-tany, izay mandray ny onjan’aratra alefan’ny kintana. Io masolavitra lehibe io dia mitaky „fanginana” mba „hihainoany” ireo onja alefan’ny fihetsehan’ny tontoloben’ny kintana. Manana velarana lehibe kokoa noho ny velarana kianja filalaovam-baolina kitra izy io, ary natsangana eo afovoana faritra „mangina” tsy misy onjam-peo any amina 33 000 km2 any, mba tsy hampisy onja elektrônika hanakorontana io masolavitra lehibe tena mora mandray zavatra io.
Isika dia miaina ao anaty tontolo ara-kajimirindra izay itaoman’ireo fisehoan-tsary sy famoaham-peo tsy ankijanona. Ho haintsika ve ny hampisy fotoam-panginana ? mba hihainoana Ilay Mpahary izao rehetra izao. Miteny amintsika Andriamanitra. Ataony indrindra izany, amin’ny alalan’ny Baiboly, izay manambara azy io amina fomba maro samihafa, ho Tenin’Andriamanitra.
Ao no anehoan’Andriamanitra ny maha Izy Azy sy ny maha isika antsika. Ny hoe mihaino ny feon’Andriamanitra, amin’ny famakiana ny Teniny, dia mitaky fotoana, fifantohana, fahalianana ihany koa, ary mihoatra noho izany aza, fihetsika voary feno fanetrentena manoloana Ilay Mpahary azy, fihetsik’olombelona manoloana an’Andriamanitra.
Ao anaty ao koa dia misy eritreritra tsy tambo isaina mitambolimbolona ao an-tsaina. Ndao hangataka amin’Andriamanitra mba hahay hanavaka ny feony sy hankasitraka ny hafatra ampitainy : „Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao” (Salamo 94:19).