Talata 26 Marsa 2024
Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Jaona 14:2
Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy. Jaona 17:24
Handao ny mpianany Jesosy, ka manao veloma azy ireo. Hiala „amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray” Izy, ary nilaza tamin’izy ireo ny toerana halehany, dia any an-tranon’ny Rainy (Jaona 13:1 ; 14:2). Nampahery azy ireo Izy, ary nanome toky fa misy toerana maro ho azy ireo any ambony any, miaraka aminy. Raha tsy izany, dia efa ho nilaza izany tamin’izy ireo Izy ! Nantsoiny izy ireo hankeo aminy, hihataka amin’izao tontolo izao, mba hoentiny miaraka aminy any amina toeram-pahasambarana. Tsy nandao ny zavatra rehetra tsy akory ireo mpianatra, mba hafoiny rehefa handeha Izy. Tsy ho maty antoka izy ireo !
Ny tranon’ny Ray dia ny fonenan’ny zanaka. Jesosy no Ilay Zanaka mandrakizain’ny Ray, ka zony ny manana ny toerana ambony indrindra ao (2 Jaona 3). Nefa mba hananan’ny mpianatra toerana miaraka aminy, dia hataony ho zanaky ny Ray izy ireo, amin’ny hanolorany ny ainy eo amin’ny hazofijaliana. Nilaina ny fahafatesany sy ny fitsanganany velona indray, mba hananan’ny mpianany —sy ireo rehetra hino an’i Jesosy atỳ aorianan’izy ireo- ny fiainana mandrakizay. Manomboka hatreo izy ireo dia ho zanak’Andriamanitra, mifamatotra aminy toa rahalahy, ary manana anjara toerana ao an-tranon’ny Ray (Jaona 1:12 ; 20:17).
Niakatra any an-danitra Jesosy, nialoha lalana ny olony. Nefa ny fisiany any ambony any dia antoka fa ho any ihany koa izy ireo, olona maro tsy hita isa, mifamatotra aminy amina aina iray mitovy.
Manamafy izany ny andinin-tSoratra Masina androany. Hoy Jesosy : „Ray ô, tiako…”, mahazo antoka fa ny sitrapony dia mifanaraka tanteraka amin’ny Ray, Izay maniry ny zanany ho ao an-tranony.