Alarobia 27 Marsa 2024
Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan’ny Israely teo anelanelan’ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny. 1 Mpanjaka 22:34
Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ny Tompo ? Fitomaniana 3:37
Ny Baiboly dia miresaka amintsika an’i Josafata mpanjaka. Manaja an’Andriamanitra izy, nefa nanao fahadisoana, nifanaiky hiara-miady amin’i Ahaba, mpanjaka manamavo an’Andriamanitra. Ahaba, izay nampilazain’Andriamanitra fa ho faty any an’ady, dia nandresy lahatra an’i Josafata hanao ny fitafian’ny mpanjaka, fa izy kosa hiova fitafiana mba tsy ho fantatra. Voafitak’izany hafetsena izany ny fahavalo, ka nanenjika fatratra an’i Josafata, izay noheveriny ho i Ahaba.
Nefa Andriamanitra tsy mba voafitaka amin’izany ! Na teo aza ny fisolokiana, dia navahany i Josafata mpivavaka tsara sy i Ahaba ratsy fanahy. Na tao anatin’izany toejavatra izany aza i Josafata, noho ny hadisoany, dia niantso vonjy tamin’Andriamanitra. Nanafaka azy Izy. Ahaba kosa, na niova fitafiana aza, dia voan’ny lehilahy iray nitifitra „kisendrasendra” tamin’ny tsipìka. Hahatratra azy eo amina faritra marefo ny zana-tsipìka ka hahafaty azy.
Andriamanitra no mifehy ny zavatra rehetra, tsy misy afa-miala amin’ny fanarahany maso, tsy misy toejavatra vokatry ny kisendrasendra. Ny olona sasantsasany dia zatra miteny hoe fifanojoan-javatra, mba handavany ny maha zavamisy ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra, zavamisy mampitebiteby azy ireo. Miasa eo amin’ny fiainan’izy ireo manontolo Andriamanitra, ka mahita ny zavatra rehetra, ary tsy misy afaka miafina Azy, Izay mbola hampamoaka rahateo. Ezahina amin’ny fomba rehetra ny handroaka io eritreritra io.
Fa ho an’ny kristiana kosa, fihevitra mampatoky toy inona moa ny mahalala fa Andriamanitra dia mahita ny zavatra rehetra, mifehy ny zavatra rehetra, ary mahatoky ka mitsinjo ireo izay tia Azy ! na eo aza ny fahadisoana sy fiovaovan’izy ireo.
„Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana, ka mahalala izay mialoka aminy” (Nahoma 1:7).