Alakamisy 28 Marsa 2024

Fa Izaho (Jesosy) kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo. Matio 5:44

Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy ; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny… Aza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy. Romana 12:20-21

 

Mivavaha ho an’i Pakistan (3)

Nisy tondra-drano lehibe nanapotika tanàna iray tany Azia Atsimo-andrefana, ary nisy andiana vahiny tonga nanampy mba hanamboatra indray ny zavatra rehetra. Saingy nisy lehilahy mpiady avy amin’ny foko notarihin’i Jalal lehibeny, nanafika azy ireo imbetsaka sy nandoro ny tranolainy.

Ankoatra ny fanampiana nentina, ireo vahiny dia nitantara tantaran’ny mpaminany fahiny tao amin’ny Baiboly. Tezitra i Jalal, nefa ny nanaitra azy indrindra dia ny tsy namalian’ireo vahiny ny fanafihana nataony, ka nanehoan’izy ireo tamin’izany hery izay tsy fantany. Nandritra ny volana maro i Jalal dia nanara-maso azy ireo tamin’ny masolavitra, avy eny an-tendrombohitra. Farany, indray alina izy dia nidina tao an-tanàna, ary nandre izany tantaran’ny mpaminany izany… sy ny tantaran’i Jesosy koa.

Indray hariva, rehefa niverina izy mba hihaino azy ireo, dia nieritreritra ny ratsy rehetra nataony, ireo olona rehetra nokapohiny sy novonoiny. Valo volana tatỳ aoriana izy dia nasaina nijery horonan-tsarimihetsika niresaka ny fiainan’i Isa (Jesosy) tamin’ny fitenin’ny fokony. Hontsa sy latsa-dranomaso izy, ka niteny tamin’ireo lehilahy mpiadiny mba hametraka ny fitaovam-piadiany eny an-joro, ho fanajana ilay horonan-tsarimihetsika.

Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny fiafarana fivoriana iray, dia nanambara i Jalal hoe : „Nikapoka anareo aho, nitifitra anareo… Inona no sazy, araka ny finoanareo, noho ny fahotana rehetra nataoko taminareo ?” Dia novaliana izy hoe : „Tsy misy. Tsy misy sazy ho anao. Tianay ianao”.

Enin-taona tatỳ aoriana, tamin’ny taona 2013, dia hoy i Jalal : „Jesosy no fiainako. Eo ambanin’ny alony no iainako sy ahatsapako fiadanana. Izy dia Andriamanitra. Azy ny tenako manontolo.”

Ndao hivavaka ho an’ny Filazantsara any Pakistan !