Zoma 29 Marsa 2024
Pilato… niantso an’i Jesosy ka nanao taminy hoe : Ianao va no Mpanjakan’ny Jiosy ? Jesosy namaly hoe : Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao ? Pilato namaly hoe : Moa aho Jiosy ? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko ; inona moa no nataonao ? Jaona 18:33-35
Paska tamin’izay, mandray vahoaka marobe i Jerosalema, fa tamin’ity taona ity kosa dia nisy zava-nitranga vaovao nahalasa eritreritra. Niteraka fanantenana goavana ny fisiana lehilahy iray antsoina hoe Jesosy. Sao dia mba Izy àry no Ilay Mesia nandrasana fatratra ? Nefa dia nosamborin’ny lohandohan’ny Jiosy sy ny mpanjanatany romana Izy.
Nanontany Azy i Pilato, governora romana, hoe : „Ianao va no Mpanjakan’ny Jiosy ?” Te hitari-dresaka izy, natoky ny fahefany, kanjo nahagaga fa ilay voampanga teo anoloany dia namaly azy hoe : „Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao ?” Nitaona azy hieritreritra manokana i Jesosy, toy ny nilaza hoe : Tena izany ve no mampiasa saina anao ?
Nitohy ny fakana ambavany, nefa hentitra Jesosy nanambara hoe : „Izao no niaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina”. Mbola niala tamin’izay nanohintohina ny fieritreretany ihany i Pilato, ka nanao hoe : „Inona no marina ?” Nivoaka izy, tsy niandry akory ny valintenin’Ilay marina tonga nofo Izay teo anoloany : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Tsy hain’i Pilato nohararaotina ilay fotoana ho nahafantarany ny marina.
Ary isika mpamaky amin’izao taonjato faha-21 izao ve, hanao toa an’i Pilato ? hiala amin’ireo tena fanontaniana ka hianina fotsiny amina fahalalana manjavozavo momba an’i Jesosy. Isika ve mba mikatsaka hahafantatra Ilay nalam-baraka sy nohelohina tsy ara-drariny ? Ilay niaritra ny hazofijaliana mba hamonjy ny olona very. Ho haintsika ve ny hanaraka Azy ? tsy toy ny fankatoavana mpanjaka iray, fa kosa ho valin’ny fitiavany nandresy.