Asabotsy 30 Marsa 2024

(Hoy i Joba :) Moa ny ataon’ny olona va no itarainako ? Joba 21:4

Jehovah efa nandre ny fangatahako ; Jehovah no handray ny fivavahako. Salamo 6:9

 

Ny faniriana miredaredan’i Joba (1)

Joba dia lehilahy miavaka amin’ny rehetra, Andriamanitra mihitsy no nanambara izany : „Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy, sady matahotra an’Andriamanitra, ka mifady ny ratsy” (Joba 1:8).

Nefa nisy loza mahatsiravina nihatra taminy. Nafoiny tao anatin’ny indray andro ny zanany folo sy ny fananany rehetra. Na izany aza, dia tsy naneho fikomiana mihitsy i Joba, ary nifahatra tamin’ny finoany an’Andriamanitra.

Dia iny fa voakasika ny fahasalamany. Voan’ny vay hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia i Joba ; ketraka tanteraka izy, nefa dia nanaiky izany. Nisy namany telo lahy tonga namangy azy. Nanao izay nahatofoka azy izy ireo, nilaza ankolaka taminy fa misy fahadisoana nafeniny, mahatonga ireo fitsapana ireo hihatra aminy.

Tao anaty ady hevitra lavabe tamin’ireo namany, tamin’Andriamanitra, ary tamin’ny tenany, dia niezaka mafy indrindra i Joba hanamarin-tena. Nony farany, noho ny fangirifiriany sy fahaverezan-keviny, dia nihevitra izy fa miangatra Andriamanitra. Nefa nanjary tonga saina koa izy ny amin’ny elanelana tsy hita noanoa manasaraka ny olona amin’Andriamanitra, ka tsy nahay nanambara aminy ny fahoriany. Mba tiany ho takatra hoe inona ny zavatra nanalany baraka Azy, ka tsapany fa tsy takatry ny sainy ny fahamasinan’Andriamanitra. Hoy izy nanontany, very hevitra : „Aiza no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra ?” (Joba 25:4).

Nanjary niriny ny hisiana „mpanelanelana… hametraka ny tànany” amin’izy roa tonta, olona iray afaka manelanelana Ilay Andriamanitry ny lanitra, Izay masina sady madio, sy ny olona mety maty, izay mamoy fo sady lany loharanon-kery.

Any amin’ny faran’ny boky dia niseho i Eliho, olona saro-pantarina. Izy no nanambara ilay mpanalalana nirin’i Joba fatratra, ka nilaza taminy hoe : „Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ny arivo… [dia] hamindra fo aminy [izy]” (Joba 33:23-24).

(hitohy)