Alahady 31 Marsa 2024
Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona. 1 Timoty 2:5
Tao anatin’ny hakiviany i Joba dia nahatsapa ny elanelana goavana nanasaraka azy tamin’Andriamanitra. Niriny ny hisiana mpanelanelana iray, „mpanelanelana… hametraka ny tànany aminay roa tonta” (Joba 9:33).
Mba ho afaka „mametraka ny tànany” amin’Andriamanitra io mpanelanelana io, dia tsy maintsy mitovy amin’Andriamanitra : madio toa an’Andriamanitra Izay madio, masina toa an’Andriamanitra Izay masina, lehibe toa an’Andriamanitra Izay lehibe. Nefa tsy maintsy midina ambany koa izy, mba ho afaka mametraka ny tanany amin’ny olona, sy misolo tena azy eo anatrehan’Andriamanitra. Izy izany dia tokony ho olona tahaka antsika, saingy tsy misy ota, mba ho afaka manatona an’Ilay Andriamanitra masina. Ilay mpanelanelana irina fatratra izany dia tokony ho Andriamanitra sady olona !
Io notadiavin’i Joba io dia nomen’Andriamanitra antsika, tamin’Izy naniraka ho antsika ny Zanany, dia „Kristy Jesosy, Izay olona”, „Ilay naseho teo amin’ny nofo” (1 Timoty 2:5 ; 3:16). Ambaran’ireo filazantsara antsika ny tenany mahatalanjona, araka ny maha olona sady maha Andriamanitra Azy :
— Niditra teto amin’izao tontolo izao Izy, natera-behivavy. Niaina teto Izy, nalaina fanahy tamin’ny zavatra rehetra toa antsika ihany, afa-tsy tamin’ny ota. Noho izany, ny maha olona Azy dia ahafahany misolo tena antsika eo anatrehan’Andriamanitra (Hebreo 2:17 ; 4:15).
— Izy koa dia „Ilay naseho teo amin’ny nofo”, Andriamanitra nanjary hita maso teto anivontsika. Ireo teniny sy fahagagana nataony dia manaporofo ny maha Andriamanitra Azy. Ary mampahafantatra antsika ny fitiavan’Andriamanitra Izy. Noho izany, ny maha Andriamanitra Azy dia ahafahany misolo tena an’Andriamanitra eo anatrehan’ny olona.
Jesosy dia maty ary nitsangana velona indray ; any an-danitra Izy, eo ankavanan’Andriamanitra. Koa ankehitriny izany isika dia manana eo akaikin’Andriamanitra Ilay mpanelanelana ilaintsika. Jesosy no hany lalana ahafahan’ny olona manatona an’Andriamanitra.
(tapitra)