Alatsinainy 1 Avrily 2024

Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ny mpanota, ka hohomboana amin’ny hazofijaliana, ary hitsangana amin’ny andro fahatelo. Lioka 24:7

(Hoy Jesosy :) Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. Jaona 12:32

 

Raha maty izy, dia hahavokatra be

Am-panajana lalina no ijeren’ny mpino ny halehiben’i Jesosy, halehibe tsy misy fetra. Tohina mafy izy, misaintsaina ny anton’ny fahafatesany. Nahoana moa no nilaina ny fahafatesany ara-batana, taorianan’ny fijaliana fanonerana nihatra taminy teo amin’ny hazofijaliana ? Kristy, Ilay lehilahy tsy nanana ota, dia tsy napetraka velively teo ambanin’ny didim-pitsarana manameloka ho faty nambara ho an’ny olona mpanota. Teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia nivesatra ireo fahotantsika, nanoloana Ilay Andriamanitra masina. Ary „natao ota” ho antsika Izy (2 Korintiana 5:21), nampitovina tamin’ny ota, ka niharan’ny fahafatesana. Nilaina ny fahafatesany sy ny fitsanganany velona indray, mba hahafahan’olona manatona Azy. Izy mihitsy no niteny hoe : „Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy ; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be” (Jaona 12:24). Ny voam-bary dia Izy tenany. Ny vokatra dia ireo vahoaka tsy hita isa voataonan’ny fitiavany ary hino ny lanjan’ny sorona nataony (and 32). Jesosy nitsangana velona indray dia niseho tamin’ireo mpianany, nampiseho azy ireo ny tanany sy ny tongony, ary ny lanivoany voagorobaka. Hitan’izy ireo tamin’izany ny porofo fa Izy tokoa Ilay nohomboana, maty, nalevina tao am-pasana, ary farany nitsangana velona indray. „Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9). Dia ho isan’ireo vokatry ny sorona nataony ianao. Tsy ho ela dia hiseho am-boninahitra Izy, Hodidinin’ireo navotany : Ny voa masaka rehetra azon’ny fandreseny, Voangona ho amin’ny mandrakizay.