Talata 2 Avrily 2024

Fa efa teraka indray ianareo… tamin’ny… tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra. 1 Petera 1:23

Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy… ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Hebreo 4:12

 

Teny velona

„Teraka tao amina fianakaviana kristiana aho, ary hatry ny ela no nanana fifandraisana ivelambelany tamin’ny Baiboly. Sarotra be tamiko ny nahatsapa tena ho voakasik’ireo teny voasoratra efa arivo taona maromaro ireo, tao amina sehatra hafa tanteraka tamin’ny iainako.

Nefa rehefa nitodika tamin’i Kristy aho, dia nanomboka liana kokoa tamin’ny Baiboly. Dia takatro fa tsy „boky” izy io, fa „tranomboky” mihitsy. Misy boky 66 miavaka izy io, voasoratra tany amina kontinanta telo, tamina fiteny telo samy hafa, nandritra ny 1500 taona teo ho eo, ary nosoratana mpanoratra mihoatra ny 40.

Na izany aza, dia gaga aho nahatsapa ny firindrany, ny maha tokana azy : ny Baiboly dia voarafitra ho iray, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Mifanaraka ireo lahatsoratra mandrafitra azy. Tenin’olombelona nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny Soratra Masina, ka tenin’Andriamanitra, ary nanjary loharanon-kery eo amin’ny fiainako andavanandro, nahafahako niroso. Hazavainy ahy ny fifandraisako amin’Andriamanitra, amin’ny namako, ary amin’izao tontolo izao. Raha misy lahasoratra sasantsasany ohatra ny maizina amiko na sarotra takarina, dia nanjary fantatro fa mila hazavain’ny Fanahy Masina aho, mba hampisy aina sy dikany feno ireo rijanteny ireo.

Azoko ianteherana ihany koa ny fikarohana nataona kristiana maro, fikarohana manampy ahy hahatakatra tsara kokoa ny sehatr’ireo lahatsoratra ireo, ny vanimpotoanany, ary ny mampitombina azy ireo amin’izao fotoana ankehitriny izao.

Resy lahatra aho fa ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra, dia mendrika ny lazany ho boky be mpividy indrindra tamin’ny vanimpotoana rehetra. Tena harena izy, ary mitombina mandrakariva !”

araka an’i Joseph Gotte