Alarobia 3 Avrily 2024

Jehovah no Mpiandry ahy… Mamelombelona ny fanahiko Izy. Salamo 23:1, 3

Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. Isaia 40:29

 

Fampaherezana

Mitantara i Wilhelm Busch, mpitoriteny kristiana (1897-1966) : „Tany amina faritra iray tsy mandray ny Filazantsara aho. Ambonin’izany aho dia nikaviavia indraindray. Reraka aho, kivy, ketraka… Nandeha bisikileta aho indray andro lohataona nahamay be, no nahare tampoka olona nihira. Avy tao amina tranon-danonana ilay feo. Koa nanatona aho, liana, ary rehefa tonga teo akaikina varavarankely, dia nahatazana andiana tanora nihira hoe : E ! raha mba afaka mino mantsy ianao, dia hahita fahagagana. Jesosy, Tomponao, dia ho eo anilanao mandrakariva.

Ohatra ny tsy nisy nihaino ireo mpihira… Fa ho ahy kosa dia toy ny Tompoko mihitsy no niteny tamiko sy te hampahery ahy tamin’io hira io. Tatỳ aoriana aho dia nanenina, tsy nisaotra ireo mpihira ireo —izay nila fampaherezana ihany koa angamba, nanoloana ny tsy firaharahan’ny besinimaro ny Filazantsara.”

Lahatsoratra maro ao amin’ny Baiboly no mampahery antsika amina fomba tsy ampoizina. Nefa ny Tompontsika dia mahalala hoe rahoviana, aiza, ary amin’ny fomba ahoana no hahatratraran’ny fampaherezana tandrify, ny tanjona kendreny : „Ny teniko izay aloaky ny vavako : tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy” (Isaia 55:11). Ndao hifantoka tsara amin’ny fikarakarana feno fitiavana ataon’i Jesosy Tompontsika, Ilay Andriamanitra Mpiandry antsika. Ndao hahay handray ireo „py masony” mampahery antsika sy manatanjaka ny finoantsika !