Alakamisy 4 Avrily 2024
Jehovah ô,… Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina, fa Ianao no itokiako ; ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako, fa aminao no ananganako ny fanahiko. Salamo 143:7-8
Tsy atao kisendrasendra ny fandehanana fiarandalamby. Izaho dia tokony hahafantatra hoe ho aiza aho, ho tonga ara-potoana eny amin’ny gara, hividy ny tapakilako, hamantatra ny sisim-piantsonana tandrify, ary hiakatra ao anaty fiarandalamby, alohan’ny hikatonan’ny varavarana. Aorianan’izay tsinona dia ho tara loatra ! Ary rehefa mandalo ny mpisava takila, dia ny tapakilako no fanamarinana, raha tsy izany aho dia ho voatery handoa sazy.
Ny fiainana dia fandehanana mankamina fitodiana tokana : ny fahafatesana, izay anjaran’ny olombelona rehetra, nanomboka tamin’ny tsy nankatoavan’ireo razantsika voalohany tao an-tsaha Edena. Ary aorianan’izany ? Tsy vita eo tsy akory ny zavatra rehetra ! Tsy maintsy misafidy, alohan’ny fiafaran’ny dia : na mandrakizay feno fahasambarana miaraka amin’Andriamanitra, ho an’ny tena kristiana rehetra, na mandrakizay feno fijaliana lavitra an’Andriamanitra, ho an’ny hafa. Maimaimpoana ny fidirana any an-danitra, nefa tsy noho ny fahamendrehantsika, fa satria efa nisy Iray nandoa ny sarany ho antsika. Teo amin’ny hazofijaliana tany Golgota, ny Tompo Jesosy dia nisolo toerana antsika, nizaka ny fahatezeran’Andriamanitra ; koa voavela avokoa ny fahotantsika, raha vao mandray Azy ho Mpamonjintsika isika. Dia voasoratra ao amin’ny Bokin’ny fiainana ny anarantsika. Izany no manamarina fa efa voaloa ny anjara toerantsika : voadio isika noho ny ran’i Kristy, ary voaomana ny toerantsika any ambony any.
Ndao hihevitra ny fotoana, izay mandalo haingana ! Voafetra ny tolotra tapakila maimaimpoana. Aza miroso amin’ny „kisendrasendra”, mankamin’ny fiafaran’ny fiainantsika. Ndao handinika ireo torolalan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, mba hisafidy ny fitodiana tsara ; izany no hany mpitari-dalana azo antoka.
Mety ho izao no antso farany ho anao, mety hikatona ny varavarana… Raiso ny famonjena, mbola fotoanany izao !