Zoma 5 Avrily 2024
Hoy indray Izy (Jesosy) taminy fanindroany : Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao ? Dia hoy izy taminy : Eny, Tompoko ; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy : Andraso ary ny ondriko. Jaona 21:16
Jesosy nitsangana velona indray dia niteny tamin’ny mpianany hoe : „Avia hisakafo”. Norosoiny sakafo nokarakarain’Izy tenany izy ireo, dia mofo sy hazandrano natono. Na dia vao avy niaritra ireo fangirifiriana noho ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana aza Jesosy, Izay navelan’ny mpianatra ho irery, nolaviny, nilaozany, dia namory azy ireo kosa. Tsy sahy nanontany Azy izy ireo, fa Izy kosa no nandroso sakafo ho azy ary niresaka taminy. Niverina indray ny fiombonana sy ny firaisam-po.
Nony farany, Jesosy dia niteny tamin’i Simona Petera, ary nametraka taminy intelo ny fanontaniana hoe : „Moa tia Ahy va ianao ?”, fampahatsahivana ny nandavany Azy intelo. Jesosy dia nahafantatra ny fitiavana tao am-pon’ity mpianany ity, ary nanontany azy tamin’ny voalohany hoe : „Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto ?” Petera mantsy dia nihambo fa na handà an’i Jesosy aza ny mpianatra rehetra, izy kosa tsy mba hivadika.
Ireo valinteniny dia mampiseho fa tena nanova azy ny zava-niainany tamin’ny nandavany ny Tompo. Nampitombo ny fitiavany ny famelan-keloka nomen’ny Tompo, ka nahafahany namaly hoe : „Eny, Tompoko ; Ianao mahalala fa tia Anao aho”. Izany hatrany koa no navaliny ireo fanontaniana roa manaraka, na dia nalahelo aza izy namerimberenan’i Jesosy ireo ; natoky mantsy izy fa fantatr’i Jesosy ny fitiavany Azy. Jesosy dia nandinika ny fony ka nanankina taminy asa misiona hotanterahina. Tsy natoky ny tenany intsony i Petera, nefa satria feno fitiavana ny Tompony, dia hahay hikarakara ny ondrin’i Jesosy, izany hoe ireo kristiana hifanena aminy.
Ary izaho, inona no havaliko ny fanontaniana’ny Tompo hoe : „Moa tia Ahy va ianao ?” Ampianaro aho ho tia Anao, amina fitiavana feno sy tsy misy hambo, mba hanaraka Anao sy „hikarakara” ireo hifanena amiko eny amin’ny lalako !
(tapitra)