Asabotsy 6 Avrily 2024

Tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako. 2 Timoty 1:12

Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay. 2 Timoty 4:7-8

 

Taranaka diso fanantenana

Hoy ny mpanao fihetsiketsehana iray tamina mpanao gazety : „Izaho dia anisan’ny taranaka diso fanantenana. Ny zavatra tsy azo antoka no mba hany fantatray. Inona no ilàna mianatra, raha tsy hahita asa akory rehefa avy eo ? Atao inona ny maminavina ny hoavy, raha efa miala aina ity planeta ity ?”

Maro ny manontany tena, ary diso fanantenana amin’ny fiainana ankehitriny. Nanatsara ny fiadanam-piainan’ny fiarahamonina môderina ny fivoarana ara-teknika sy ara-tsiansa, nefa tsy nitondra fahasambarana akory izany. Tsipahina ary manjavona tsikelikely ireo fototra ara-toe-panahy niorenan’ny fiarahamonina. Dia ny miaina isanandro isanandro ho an’ny tena samirery ve sisa no hany afaka atao ?

Toy izao no namariparitan’ny apostoly Paoly ny fiainany : „Noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay ; ary misasatra miasa amin’ny tànanay izahay ; raha tevatevaina izahay, dia misaotra ; raha enjehina, dia miaritra ; raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa ; atao toy ny faditr’izao tontolo izao izahay…” (1 Korintiana 4:11-13).

Tsy hampitsiriritra an’iza na iza izany fiainana izany. Nefa dia taomin’i Paoly isika hanahaka azy ! Tsy nisy olona nahatakatra izay nanjo azy, ary natao tsinontsinona izy, nefa tao anatin’ny fony lalina tao dia nanana fahazoana antoka fa an’Andriamanitra. Jesosy no nanjary Mpamonjiny ary nanova ny fiainany. Izy no nitokiany tanteraka. Koa tsy nisy na inona na inona nanenenany. Tsy mba diso fanantenana izy, na teo aza ireo anton-javatra maro nampijaly azy. Ndao averina vakina ny famintinana mahafinaritra nataony momba ny fiainany, ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina anjarantsika androany. Tsy noheveriny ho noho ny fahaiza-manao nananany izany, fa noho ny Tompony.