Alahady 7 Avrily 2024
Tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy- eny, tsy niloa-bava Izy. Isaia 53:7
Tsy zavatra mety ho simba… no nanavotana anareo… fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina. 1 Petera 1:18-19
Raha nitsidika ny katedralin’i Cologne (Alemaina) aho, dia gaga nahita tao, sary vongana maneho zanak’ondry iray. Notantaraina tamiko ny momba io sary vongana io. Tamin’ny fotoana nanorenana ny katedraly, dia nisy zanak’ondry niraoka ahitra milamina teny anelanelan’ny kombarika. Tampoka teo dia nivembena ny mpiasa iray ary nianjera tao anatin’ny antontam-bato amam-biriky. Noheverina fa maty izy. Nefa tsia, satria nianjera teo ambonin’ilay zanak’ondry izy, ary ny vatan’ilay biby no nampihena hery ny fianjerany tamin’ny tany. Maty ilay biby, fa ilay olona kosa avotra.
Tsy fantatro raha marina na tsia ny tantara, fa, na izany na tsy izany, dia maneho fahamarinana lehibe iray miseho hatrany amin’ny fiatombohan’ny Baiboly izany. Ny fetin’ny Paska nankalazaina voalohany teo amin’ny vahoaka Israely, mby alohan’ny nialany tany Egypta, dia nitaky ny hanaovan’ny isan-tokantrano ny sorona zanak’ondry iray. Ny rany, natentina tamin’ny tolam-baravaran’ny trano, no niaro io tokantrano io tamin’ny fandalovan’ny anjely tsy maintsy handringana ny lahimatoan’ny fianakaviana tsirairay tany Egypta. Andriamanitra mihitsy no nanolotra ny fomba hialan’ny vahoakany amin’ny fahatezerany.
Ny Testamenta Vaovao dia manazava manontolo izany tranga izany : Jesosy no tondroina ao ho Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra Izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana (Jaona 1:29, 36). Saingy ho Azy kosa, izany dia tsy mba fahafatesana vokatry ny loza tampoka, toy ny tao amin’ny tantara. Kristy dia nisolo voina antsika an-tsitrapo, mba hizaka ny fanamelohana mendrika ny fahotantsika. Te hahazo ny famonjena ireo olona very Izy, tamin’ny nanaovany sorona ny tenany. Tokana anefa ny fepetra : ny mba hieken’izy ireo fa meloka sy hanekeny io sorona io ho azy ireo. — Efa nanao izany ve ny tsirairay avy amintsika ?