Alatsinainy 8 Avrily 2024
Nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe : Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony. Jaona 7:37-38
Aoka ho avy izay mangetaheta ; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina. Apokalypsy 22:17
Samsona, ao amin’ny Baiboly, dia tovolahy nomen’Andriamanitra hery mihoatra ny herin’olombelona. Na teo aza ireo zava-matroka teo amin’ny fiainany, dia nisy koa tranga sasantsasany namiratra. Noho ny finoany an’Andriamanitra sy ny fanampiany azy, dia nahazo fandresena manetriketrika i Samsona niady irery tamina miaramila arivo lahy. Avy eo, „nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin’i Jehovah ka nanao hoe : Ianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin’ny tànan’ny mpanomponao ; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan’ny tsy mifora ! Dia nampitresahin’Andriamanitra ilay fitoerana hoboka… ka niboiboika teo ny rano ; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona izy ; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore”, Loharanon’ilay niantso (Mpitsara 15:18-19).
Taorianan’ny ady dia nahatsapa faharerahana ilay mpandresy. Nahatsiaro ho matin-ketaheta izy ! Inona no nataony ? Nivavaka. Io no vavaka voalohany rentsika notononiny. Nitodika tamin’Ilay Andriamaniny izy, tao anatin’ny fahoriany. Notresahin’Andriamanitra ny vatolampy, toy ny nataony ho an’ny vahoakany tany an-taniefitra (Salamo 105:41). Ao amin’ny anaran’io loharano io hoe „Loharanon’ilay niantso” ny fahatsiarovana ilay vavak’i Samsona.
Mba fantatsika ve io loharano io ? Isika ve mba efa niantso an’Andriamanitra rehefa tao anatin’ny fijaliana na fikorontanan-tsaina ? Efa niainantsika ve ny famaliany sy ny fiainana be dia be omeny ireo izay matoky Azy ?
Ry kristiana, raha mandalo fotoana iasana be isika, haintsika ve ny manandrana ilay fampangatsiahatsiahana omen’ny vavaka sy ny fiombonana amin’Andriamanitra ?