Talata 9 Avrily 2024
(Tany am-pigadrana ny apostoly Paoly nanambara hoe :) Izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana… Na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho, ary hanam-be sy halahelo. Filipiana 4:11-12
Nanampy ny hafa ny namako iray, nandritra ny fiainany manontolo. Ankehitriny dia antitra izy, ary tsy maintsy naiditra hôpitaly. Tamin’ny nitsidihako azy vao maraina dia avy natory tao amin’ny lalantsara-na sampan-draharaha iray izy, satria feno avokoa ny efitrano rehetra. Tafintohina aho : nanampy ny hafa mandrakariva izy ; ankehitriny izy mila fanampiana —nefa dia tsy misy toerana mba ho azy ! Teo no ho eo ihany aho dia nanadihady, ary nahafantatra fa hafindra tsy ho ela any amina efitrano izy.
Niverina teo aminy aho, ary mbola tsy afa-niloa-bava akory, no nilazany hoe : „Tena mety mihitsy izao maha eto an-dalantsara ahy izao. Efa ela aho no tsy afaka niresaka intsony momba ny Tompo Jesosy tamin’olon-kafa. Tonga eto amin’ny hôpitaly kosa aho dia napetraka teto amin’ity toerana ahafahako miresaka an’Andriamanitra amin’olona maro ity. Tena tsara mihitsy mihitsy ny nitantanany ny zava-drehetra ! Mandry eto aho, ary afaka milaza amin’ny hafa fa eo an-dalana mankany amin’ny mandrakizay. Maro ny mitantara amiko ny fahoriany, dia miara-mivavaka aminy aho. Mahatalanjona ny fomba nitondran’ny Tompo ahy teto !”
Tena menatra aho, noho ny tombana diso tanteraka nataoko !
Ny apostoly Paoly, tany an-tranomaizina, dia afa-po tamin’ny toejavatra niainany, tsy hoe satria nahafinaritra izany, fa kosa tao izy dia niaina ny fanatrehan’ny Tompony, ary afaka nanompo Azy.
Ndao hangatahintsika ny Tompo Jesosy hanampy antsika hahafantatra ny tanjony ao anatin’ny toejavatra sarotra rehetra avelany hitranga ; ndao hangatahina hanome antsika fanetrentena hiara-mamakivaky ireny ao amin’ny fiadanany. „Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô ; ampianaro ny sitrakao aho” (Salamo 25:4).