Alarobia 10 Avrily 2024

(Hoy Jesosy :) Izaho manolotra ny aiko, mba handraisako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ny Raiko. Jaona 10:17-18

 

Ho an’iza, alohan’ny zava-drehetra ?

Tany amin’ny fianarana Baiboly ho an’ny ankizy dia nitantara ny nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana i Benoît, mpampianatra. Hoy izy nanontany :

— Ho an’iza moa, alohan’ny zava-drehetra, no naneken’i Jesosy hohomboana teo amin’ny hazofijaliana ? Namaly i Matéo hoe :

— Ho an’ireo rehetra mino Azy.

— Marina izany, hoy i Benoît namaly, maty ho an’ny olona tsirairay mino Azy Izy, nefa ho an’iza koa ? Nanangan-tanana i Florine :

— Izaho mahafantatra, hoy izy : ho an’ny Fiangonany ; mba hanangonany ny kristiana rehetra.

— Marina ihany koa izany, saingy mbola misy Iray lehibe lavitra noho izany !

Nifampijery ireo ankizy, very hevitra. Nanazava i Benoît hoe :

Alohan’ny zava-drehetra dia ho an’ny Rainy no nahatongavan’i Jesosy.

Adama sy Eva mantsy dia nihaino sy nino an’i Satana. Noho izany dia tsy natoky an’Andriamanitra intsony izy ireo, ary tsy nankatò Azy. Faniratsirana tanteraka an’Andriamanitra izany.

Tia an’Andriamanitra Rainy anefa Jesosy. Izany no anton’ny nahatongavany, alohan’ny zava-drehetra. Amin’ny maha olona Azy, dia natoky an’Andriamanitra Izy ary nankatò Azy, nanome Azy araka izany ilay haja nangalarin’ny olona taminy.

Fantatr’i Jesosy koa fa te hamonjy antsika Andriamanitra. Izany no nankatoavany hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana, araka ny nandidian’ny Ray Azy, sy mba hahafantaran’izao tontolo izao fa tia ny Rainy Izy (Filipiana 2:8 ; Jaona 14:31). Teo Andriamanitra dia tsy maintsy nanasazy ny Zanany Lahitokana, noho ireo fahotantsika, mba hamonjeny antsika tsirairay avy, sy hanomezany ho an’ny Zanany, Vady, dia ny Fiangonana, voarafitry ny mpino rehetra. Ny fitiavan’i Jesosy ny olony, izany, dia mifamatotra amin’ny fitiavany ny Rainy. Izay nataony, dia nataony ho ahy koa… sy ho anao.