Alakamisy 11 Avrily 2024
Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:9
Ny hoe kristiana dia tsy anarana na mari-pamantarana entina fotsiny, na dia manambara karazana fihetsika, fitondrantena ary fomba fiaina aza… Tsy mora mandrakariva ny mahalala fa kristiana ny olona iray. Mandeha am-pifaliana any amina fanompoam-pivavahana kristiana ve ianao ? Mamaky matetika ny Baiboly ve ? Tsara izany, nefa ampy ve izany hilazana fa kristiana ianao ? Andriamanitra irery no mahalala ny fon’ny tsirairay.
Ny kristiana manana fifandraisana marina amin’Andriamanitra dia miavaka noho ny fitiavany an’i Kristy, ary vokatr’izany, ny fitiavany ny olona rehetra. Mino an’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, izy, ary manaiky Azy ho Ilay tonga tetỳ an-tany mba hahazo famelana ny fahotan’io kristiana io, sy hanome azy aim-baovao. Nitodika tamin’Andriamanitra izy, ary manana fifandraisana velona sy marina aminy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
Io dingana manokana io no atao hoe fiovampo. Mety ho hatrany amin’ny fotony io, na eo no ho eo, nefa koa indraindray mety ho miandalana, amina dingana maromaro.
„Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Andriamanitra dia mampanantena, ho an’ireo rehetra mino Azy, fiadanam-po dieny ankehitriny eto an-tany, sy hoavy feno fahasambarana mandrakizay eo amin’ny fanatrehany.
Koa ianao ve mba efa nametraka ny fanontaniana hoe misy tokoa izany fiainana mandrakizay izany ? Raha kristiana, dia mahafantatra. „Voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo” (Jaona 20:31). Manana io fiainana io izy. Ary tokony ho hita maso izany !