Zoma 12 Avrily 2024

He ! ianareo izay manao hoe : Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay, ary hitoetra any herintaona, ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo. Jakoba 4:13-14

 

Antsika ve ny ampitso ?

Tompon’ny ampitsontsika ve isika ? Ekena fa tompon’andraikitra isika amin’ny fomba fiainantsika sy ny safidy tokony hataontsika isanandro. Ny Baiboly aza dia mitaona antsika hisaina tsara momba ireo safidy lehibe eo amin’ny fiainana. Safidy momba ny fianarana, ny asa fivelomana, ny toeram-piasana, ny fanambadiana… ; izany rehetra izany, matetika, dia mamaritra ny fiainantsika.

Misy anefa safidy fototra iray iankinan’ny fiainantsika ankehitriny sy ny hoavintsika mandrakizay. Hoy Andriamanitra amintsika : „Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao” (Deoteronomia 30:19). Ny hoe misafidy ny fiainana dia mino izay lazain’Andriamanitra sy mifandray aminy. „Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36). Ny hoavintsika eto an-tany sy any ankoatra dia miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika : hino na tsia izay lazain’Andriamanitra antsika.

Fantatry ny mpino fa Andriamanitra dia mitantana ny fiainany, ary afaka mitoky aminy izy momba ny ampitsony ; fantany fa tsy azy io ampitso io. „Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao ; fa na dia ny havoakan’ny anio aza, tsy fantatrao” (Ohabolana 27:1). Mampahatsiahy izany antsika ny andinin-tSoratra Masina androany. Ny fiainana kristiana dia mikasika ny anio. Isanandro isanandro ny mpino dia miantehitra amin’ny fikarakaran’Ilay Andriamaniny, Izay fantany ho Rainy. Izy Andriamanitra no manomana ny ampitsony.

Jesosy dia nametraka ho antsika ny fampanantenana hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva”, Izaho miaraka aminareo isanandro (Matio 28:20).