Asabotsy 13 Avrily 2024
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetrentena, fahalemem-panahy, fandeferana… Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Kolosiana 3:12-13
„Isika olombelona dia tahaka ny vilany tany izay mifanimba raha vao mifampikasoka kely fotsiny”, hoy i Saint-Augustin (354-430). Tena marina izany ! Sarotra, ary tsy hay atao mihitsy aza, ny miara-miaina mirindra, raha tsy miaina ny fifamelan-keloka sy ny fifamindrampo, satria matetika isika no mifandratra, na eo amin’ny mpivady, na ao an-tokantrano, na ao am-piangonana.
Nefa inona moa no atao hoe famindrampo ? Izany dia fiontanam-po manoloana ny fijalian’ny rahalahy sy ny fahadisoany. Toy izao no anazavan’Andriamanitra ny famindrampony manoloana ny faniasian’ny vahoakany : „Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko” (Hosea 11:8).
Ny teny hoe „famelan-keloka” dia mampahatsiahy ny fandavana „tsy hampanefa” ny olona iray ny saran’ny ratsy nataony tamiko. Mba ho afaka mamela heloka isika, dia tokony hahatsiaro ilay famelan-keloka lehibe nositrahintsika. Nefa tsy midika tsy akory izany, hoe manaiky ny zavatra rehetra ! Misy toejavatra izay tsy maintsy ijoroantsika ho vavolombelon’izay zavatra marina. Ary koa, ny hoe mamela heloka dia dingana feno herim-po sy manafaka.
„Ny hoe mamela heloka dia manafaka gadra iray ary mahita fa ilay gadra dia tsy iza fa ny tenanao ihany” (Lewis B. Smedes).
Ny famelan-keloka, eo anivona mpivady, ankohonana, na koa fiangonana isan-toerana, dia toy ny menaka atao amina môtera. Raha mandeha amina fiara tsy misy menaka na kely aza ny môtera, dia hikatso avokoa ny zavatra rehetra afaka kilometatra vitsivitsy. Toy ny menaka, ny famelan-keloka dia mampihena ny fifampikasohana ary hahafahana mandroso.
Ry kristiana, ndao hangataka amin’ny Tompo ny hery hahafahantsika mitondra ny menaky ny famindrampo sy ny famelan-keloka. Ndao handraraka betsaka izany !