Alahady 14 Avrily 2024
Ary nony ampitson’iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin’ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe : Hosana ! Isaorana anie ny Mpanjakan’ny Israely, Ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah. Jaona 12:12-13
Tamin’ny andro fahagola, rehefa nisy mpanjaka nandresy niverina tany amin’ny renivohi-panjakany, dia niditra izy, mitaingina soavaly fitondra miady, ary miakanjo aro vatana enti-mianjaika. Rehefa tonga tany Jerosalema Jesosy, Ilay Mpanjaka Andriamanitra, dia nipetraka teo ambony-na zanaboriky. Zanaboriky indramina io, toy ilay fandriana kely voalohany nampandriana an’i Jesosy, dia tavim-bilona (Lioka 2:16).
Mba hitenenany avy eny amorona farihy amina vahoaka, Jesosy dia nindrana sambokely (Lioka 5:1-3). Tatỳ aoriana Izy dia namahana vahoaka tamina fomba mahagaga, tamin’ny sakafo-na zazalahy kely iray (Jaona 6:9-11). Tsy mba nanana na inona na inona teto an-tany Ilay Mpahary izao rehetra izao, nanohy ny diany, feno fangorahana ny olona rehetra. Nitsidika tanàna maro Izy, nampianatra sy nanao soa teny rehetra teny.
Nitombo ny lazany. Rehefa fantatra fa hiditra ao Jerosalema Izy, dia taitaitra indrindra ny olona. Vahoaka maro no tonga avy lavitra mba hankalaza ny fetin’ny Paska, hany ka voahodidina mpivahiny Jesosy. Ny sasany namelatra ny lambany teny amin’ny lalana, ny hafa nametraka sampan-kazo. Rehefa nandalo Jesosy, dia niantsoantso ny vahoaka hoe : „Hosana”, izany hoe : „Mamonje ankehitriny”.
Hatreo Jesosy dia mbola nandà ny fikasana rehetra hanaovana Azy ho Mpanjaka ; fa teto kosa Izy dia nampaka zanaboriky iray, mba hidirany tao an-tanàna : nasehony fa Izy tokoa no Ilay Mpanjaka nambara mialoha (Zakaria 9:9).
Nefa vetivety dia hivadika ho fankahalana ilay fihobiana. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana Jesosy dia holavina sy hohomboana eo amin’ny hazofijaliana. Saingy nitsangana velona indray Izy, ary niakatra any an-danitra. Nizotra ny lalam-panetrentenany Izy no nietry hatramin’ny fahafatesana teo amina hazofijaliana, mba ho Mpamonjy izao tontolo izao, ho Mpamonjy ireo rehetra mitoky aminy.