Alatsinainy 15 Avrily 2024
(Hoy ny Fahendrena :) Tiako izay tia ahy ; ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. Ohabolana 8:17
(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia homena ianareo ; mitadiava, dia hahita ianareo ; dondòny, dia hovohana ianareo. Matio 7:7
„Tsy nino ny fisian’Andriamanitra i Kelly. Teo amin’ny faha 12 taonany izy dia namoy ny raibeny, matin’ny homamiadana, ary nahita ny rahavavikeliny roa taona voan’io aretina io koa.
Na teo aza ny tsy finoan’i Kelly, dia tsy „nandao” an’Andriamanitra tsy akory izy. Niezaka nitady Azy aza izy, niaraka tamin’i Kevin vadiny, izay manana maripahaizana avy tamin’ny Oniversiten’i Columbia toa azy, ary tsy nino ny fisian’Andriamanitra ihany koa. Samy nifikitra mafy tamin’ny fisalasalany ny amin’Andriamanitra izy mivady, saingy nanontany tena ihany momba izany fisalasalany izany. Dia nanomboka nandeha tao amina fiangonana iray izy ireo. Lava ny lalan’izy ireo ho amin’ny finoana, sady nodiaviny am-pikaliana fatratra. Naharitra izy ireo tamin’izany fikarohana ara-panahy izany, nampiana namana kristiana maro.
Nony farany dia tsy ny fahazoa-mitoky ara-tsaina amin’ny finoana kristiana no naharesy lahatra azy mivady, fa ny fijery atolotry ny finoana kristiana momba ny fiainana.
Nanoratra i Kelly hoe : „Tamin’ny naha tsy nino an’Andriamanitra ahy, dia nihevitra aho fa nanana fiaina ara-pitondrantena mendrika, fiaina miompana amin’ny fiaraha-miaina sy mitandro rariny ara-piarahamonina ; nefa mihoatra noho izany ny soatoavin’ny finoana kristiana, satria mahakasika ireo fihevitsika sy ny toetran’ny fontsika ihany koa. Nanaiky handray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra aho, ary nanasa Azy hiditra ao amin’ny fiainako.”
Nijoro ho vavolombelona i Kevin hoe : „Indray andro aho dia nipetraka tao amina trano fisotroan-kafe, variana namaky boky… Tampoka teo aho dia tonga saina fa tsy nitondra fahafahampo ho ahy na kely akory aza, raha zohina, ny fahombiazako, tonga saina fa mihelina ihany ny fankasitrahan’ny olona, ary koa karazana fibanjinana ny tena samirery sy fanompoan-tsampy fotsiny ihany, raha fiainana tsy iainana afa-tsy ho fitadiavana toejava-tsy ampoizina. Dia nanomboka nino an’i Jesosy Kristy aho, tamin’io andro io.””
araka an’i Tim Keller