Talata 16 Avrily 2024

(Hoy ny iray tamin’ireo jiolahy nohomboana niaraka tamin’i Jesosy :) Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao. Lioka 23:42

Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo. Hebreo 3:7-8

 

Tamin’ny fotoana farany

Ny renibeko dia niaina tamina vanimpotoana mbola tsy nisiana fiarakodia na finday tany ambanivohitra. Hitako tao anatin’ny iray tamin’ireo karine-ny izao tantara izao :

„Tovolahy nahery niasa sy nilofo i Roger anadahiko. Indrisy anefa fa tsy mba liana tamin’ny Baiboly sy ny fivoriana kristiana izy. Indray maraina, fony 17 taona izy dia nandeha niasa, falifaly. Tokony hanampy ilay mpampiasa azy izy, hitondra ny sarety nisy ny harom-babena ho any an-tanimboaloboka. Nihevitra i Roger fa afaka mitondra irery izany hatrany amin’ny faran’ny fidinana erỳ ambany. Voatariky ny vesatr’ilay sarety anefa izy, ka voadona teo amin’ny tratrany ary nianjera tamin’ny tany. Tsy afa-niala tamin’ny kodiarana nitety azy avy hatrany teo ambony izy, ka torana tsy nahatsiaro tena.

Nentina tany an-trano izy, ary noho ny famindrampon’Andriamanitra dia mbola nahatsiaro tena indray.

— Neny ô ! ho faty aho, ary nanota fatratra taminao sy tamin’Andriamanitra. Mivavaha ho ahy !

Noresahin’ny reniko sy ny rahavaviko azy ny Mpamonjy, Izay maty teo amin’ny hazofijaliana mba hamonjy azy koa. Talohan’ny nahafatesany noho ny fitosahan-dra tao anatiny izy dia mbola afaka nandray sy nanaiky ny famindrampon’Andriamanitra noho ny fahotany, famindrampo mifototra amin’ny sorona nataon’i Kristy, maty mba hamonjy azy.”

Toy ilay jiolahy teo amin’ny hazofijaliana fahiny koa, ity tovolahy ity dia nandray tamin’ny fotoana farany ny famonjena natolotry ny Mpamonjintsika. Izao Andriamanitra dia miteny aminao amin’ny alalan’izao takelaka izao. Aza mangataka andro, manapaka hevitra. Tsy misy, amintsika, mahafantatra raha mbola hanana fotoana handraisana ny famelan-keloka atolotra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.