Alarobia 17 Avrily 2024

Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra. Ary nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe :… Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ? Matio 27:45-46

Izy (Kristy) nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo. 1 Petera 2:24

 

Ny fandaozana an’i Jesosy sy ny fahamasinan’Andriamanitra (1)

Ny Salamo 22 tanisaina ao amin’ny Testamenta Vaovao

Ity andian-dahatsoratra ity dia miompana amin’ireo andinin’ny Salamo 22 tanisaina ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ampahatsahivin’ity salamo nosoratan’i Davida ity ny fijaliana sy ny vavaka nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana.

Nanomboka tamin’izao antsoantso izao ny salamo : „Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ?” Davida ve nandalo toejavatra nampijaly azy toy izay voalazany ao amin’ity salamo ity ? Amin’ny maha mpaminany azy (Asan’ny Apostoly 2:30) izy dia nanambara taonjato maro mialoha io antsoantso manindrona fo io, nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, ary taterina ao amin’ny Filazantsara amin’ny fiteniny.

Nahazatra an’i Jesosy ny miantso an’Andriamanitra hoe Ray, rehefa miresaka aminy ; nitoky taminy mandrakariva Izy. Nefa tamin’ny ora fahasivy (3 ora tolakandro) Izy dia niantso hoe „Andriamanitra”, ary nametraka taminy ny fanontaniana mampivarahontsana hoe : „Nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ?” Hita ao amin’ny andininy roa eo ambanimbany ny iray amin’ny valiny : „Kanefa masina Ianao…” Nafoin’Andriamanitra i Jesosy, satria masina Andriamanitra ka tsy maintsy nizaka ny fahatezerany Jesosy, Izay tonga mba hisolo toerana antsika sy ho faty noho ireo fahotantsika.

Hentitra ny mpaminany Isaia milaza hoe : „Nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra”, „Izy no nitondra ny fahotan’ny maro” (53:6, 12). Hoy koa ny teny hafa : „Izay tsy nahalala ota dia efa nataony [nataon’Andriamanitra] ota hamonjy antsika” (2 Korintiana 5:21). Araka izany dia nokapohina Jesosy, nisolo toerana ny olona mpanota, ka marina Andriamanitra ankehitriny mamela heloka antsika. Izany no hafatra entin’ny Filazantsara : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).