Alakamisy 18 Avrily 2024
Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandàtsan’olona sy fanevatevam-bahoaka. Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy ; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha, ka manao hoe : Ankino amin’i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy ; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy. Salamo 22:6-8
Fanarabiana maro no niaretan’Ilay nijaly ! Tsy nisy mpiaro Izy, niaritra ny fahafaham-baraka ampahibemaso sy ny fanaovana tsinontsinona. Ireo izay nahita Azy dia naneso sy nihifikifi-doha, ho fanebahana Azy. Nihantsy an’Andriamanitra mihitsy aza izy ireo, nihantsy Azy hanafaka an’i Jesosy, raha toa ka „mankasitraka Azy Izy”.
Teo amin’ny hazofijaliana, taonjato maro tatỳ aoriana, Jesosy dia lasibatry ny faniratsirana, fanaovana tsinontsinona ary fihantsian’ireo izay nandalo. Heroda sy ny miaramilany dia namingavinga sy nanao Azy ho fihomehezana ; „ny loholona kosa mba nandatsa” Azy ; „ny miaramila koa nihomehy Azy” (Lioka 23:11, 35, 36). „Ary ny anankiray tamin’ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy” (and 39). Nandratra ny fony ny faniratsirana sy ny fanalam-baraka ampahibemaso niaretany (Salamo 69:19-20).
Ireo mpanaraby dia tsy nahafantatra akory hoe nanatanteraka ny nambaran’ny mpaminany mialoha ; fa ny Tompontsika kosa dia nivavaka ho azy ireo hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).
Ireo teny fihantsiana an’Andriamanitra ireo —„Aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahiny Izy” (Matio 27:43) — dia nahazo ny valintenin’ny Tompo tonga hatratỳ amintsika, toa ako taorianan’ny fitsanganany velona indray, hoe : „Namonjy ahy Izy, satria tiany aho” (Salamo 18:19). Kristy dia tsy nafahana tamin’ny oran’ny fahafatesana : niditra tao Izy, nanandrana „fahafatesana hamonjy ny olona rehetra” (Hebreo 2:9), napetraka tao „amin’ny vovoky ny fahafatesana” (Salamo 22:15). Nefa mpandresy Izy no nivoaka avy tao, natsangana „tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray” (Romana 6:4).