Zoma 19 Avrily 2024

Ary rehefa voahombon’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany… fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany. Dia niresaka hoe izy : Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an’izay hahazo azy ; mba hahatanteraka ny Soratra Masina. Jaona 19:23-24

 

Fizarana ny fitafiana ; akanjo tsy nisy vitrana (3)

Ny Salamo 22 tanisaina ao amin’ny Testamenta Vaovao

Io salamo io dia milaza ireo eritreritra sy vavak’Ilay niharan’ny fanenjehana feno herisetra nataon’olona lozabe. Mampahatsiaro koa ny fijaliany noho ny henatra, satria nendahina fitafiana sy naseho ho hitan’ny olona rehetra : „Ireo dia mibanjina sady mangarika ahy” (and 17). Misy teboka iray voalaza mazava tsara, dia ny hoe : „Mizara ny fitafiako ho azy izy, ary ny akanjoko ilokany” (and 18).

Taonjato maro tatỳ aoriana, rehefa nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, dia nesorin’ny miaramila ny fitafiany ary nofantsihiny teo amina hazofijaliana Izy, ary avy eo dia nifampizarany ny fitafiany. Ireo miaramila romana ireo, izay mety tsy nahafantatra akory ireo lahatsoratra jiosy, dia nanatanteraka tamin’ny antsakany sy andavany ny faminaniana ao amin’ny Salamo 22. Voalaza ao amin’ny filazantsara efatra io fizarana ny fitafiana io, ary mbola amin’ny antsipiriany kokoa ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Jaona.

Jaona, ilay mpianatra hany teo anilan’ny hazofijaliana, dia nilaza izay hitany sy reny (Jaona 19:35 ; 1 Jaona 1:3). Marihiny fa nizara ny fitafiana ho toko efatra ireo miaramila, ary avy eo, nony nahita „fa tsy nisy vitrana ny akanjony (karazana akanjo tao ambanin’ny fitafiana etỳ ivelany), fa tenona iray ihany”, dia tsy te hanatriatra azy. Nanao filokana izy ireo mba hahitany izay hahazo azy (andinin-tSoratra masina etsy ambony). Tanteraka ara-bakiteny ny faminanian’ny Salamo 22. Tokony nohajaina ny akanjon’ny Tompo, kisarisarin’ny toetrany lavorary sy ny maha Andriamanitra Azy.