Asabotsy 20 Avrily 2024
Mivaha ny taolako rehetra… Ny lelako miraikitra amin’ny lanilaniko ; ao amin’ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy. Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tànako izy —mahisa ny taolako rehetra aho- ireo dia mibanjina sady mangarika ahy. Salamo 22:14-17
Fijaliana toy inona moa no nihatra tamin’Ilay resahina ao amin’io salamo io ! Toy ny voasaratsaraka ny tenany —„mivaha ny taolako rehetra”-, mangetaheta mafy Izy : „Ny lelako miraikitra amin’ny lanilaniko”. Torotoro sy voatsindrona ny tongotra aman-tanany… Izany rehetra izany, eo anatrehana olona mifofotra mafy toy ny liona manokatra ny vavany…
Misy salamo iray hafa, ahitana ny faminaniana hoe : „Vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho” (Salamo 69:21 ; jereo Jaona 19:29). Ny mpaminany Zakaria dia nilaza ihany koa fa tsy maintsy holefonina ny Mesia : „Hijery Ahy Izay nolefoniny izy” (12:10 ; jereo Lioka 24:39).
Ireo andinin-tSoratra Masina ireo dia tanteraka ara-bakiteny tatỳ aoriana elabe, rehefa teo amin’ny hazofijaliana Jesosy : nohazonina tamina fantsika ny tongony sy tanany. Tsy nisy fampijaliana ara-batana tsy natao Azy. Niaritra fampijaliana tamin’ny endriny rehetra Izy, trotraka tanteraka, tao anatin’izany toejavatra lozan-tany izany : rantsambatana voasamaka, fitanjahana, hetaheta, harerahana…
Teo Jesosy dia niaritra izany fijaliana rehetra izany avy tamin’ny olona : „ny herin’ny amboa” (and 20) ; ary koa ny fanafihan’ny devoly : „ny vavan’ny liona” (and 21) ; farany, ny fitsaran’Andriamanitra ny ota : „ny sabatra” (and 20). „Izay tsy nahalala ota dia efa nataony (nataon’Andriamanitra) ota, hamonjy antsika” (2 Korintiana 5:21). Napetraka tao amin’ny „vovoky ny fahafatesana” ihany koa Izy (and 15). Niharan’ny fahafatesana ny Tompo, nefa tsy afaka hanjary vovoka ny vatany (Salamo 16:10) : nivoaka ho mpandresy Izy, avy tao am-pasana, nitsangana velona indray.