Alahady 21 Avrily 2024

(Hoy Jesosy tamin’i Maria Magdalena :) Mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo. Jaona 20:17

Tsy mahamenatra Azy [ny] hanao ireo hoe „rahalahy” ka manao hoe : „Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko Aho ; eo amin’ny fiangonana no hiderako Anao”. Hebreo 2:11-12

 

Fitsanganana velona indray sy fiderana (5)

Ny Salamo 22 tanisaina ao amin’ny Testamenta Vaovao

Taorianan’ny fijaliana voalaza ao amin’ny tapany voalohany ao amin’io salamo io, dia niova tanteraka ny resaka ; izao teny izao no re : „Valio [aho]…”, arahina tenim-pifaliana sy fiderana. Teo am-piandohana dia ny fijalian’ny Mesia no noresahina ; ankehitriny kosa dia ny Mesia Mpandresy, sy ny vokatry ny fahafatesany ho an’izao tontolo rehetra izao, no lazaina.

Manokatra fahatsinjovana vaovao ho an’ny vahoaka maneran-tany ny fiavian’i Jesosy Kristy. Ity salamo ity dia tanisaina ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo, saingy mifandraika amin’ny Fiangonana.

Vao marainan’ny andro nitsanganany velona indray, Jesosy dia niseho tamin’i Maria ary naniraka azy hitondra hafatra ho an’ny mpianany. Miantso azy ireo hoe „rahalahiko” Izy, ary mampahafantatra azy ireo an’Andriamanitra amin’ny fomba vaovao, dia hoe Rainy sy Rain’izy ireo, Andriamaniny sy Andriamanitr’izy ireo.

Ny Salamo 22 dia tsy milaza fiekena ota na fahadisoana, na iray aza. Ny fiainan’i Jesosy dia „tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina” (1 Petera 1:19). Izy no Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (Jaona 1:29). Ny tohiny rehetra ao amin’ny faran’ny salamo dia fahasoavana sy fitahiana avokoa. Kisarisary momba ny Fiangonana io : „ny rahalahiko” (and 22) ; avy eo, amin’ny fotoanany, ny firenena Israely tafatsangana indray, izany hoe „ny fiangonan-dehibe” (and 25) ; ary koa, ao amin’ny fanjakana arivo taona, „ny fokon’ny firenen-tsamihafa” (and 27).

Ny salamo dia niantomboka tamin’ilay antson’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana hoe : „Nahoana no dia mahafoy ahy Ianao ?”, ary nifarana tamin’ny hoe : „Izy no nanao izany”, akon’ny teny nolazain’i Jesosy talohan’ny nametrahany ny fanahiny tamin’Andriamanitra, hoe : „Vita” (Jaona 19:30).

(tapitra)