Alatsinainy 22 Avrily 2024

Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Matio 6:11

Andriamanitra velona… mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo, sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana. Asan’ny Apostoly 14:15-17

 

Vavaka teny an-tsaha

Roapolo taona teo ho eo aho tamin’ny taona 70. Nahazo fanabeazana ara-pivavahana aho, saingy niaina tsy nisy an’Andriamanitra. Indray andro lohataona mahafinaritra izay aho dia nandeha tany amina tanàna kely iray mikarakara fetin’ny fiotazam-bokatra isantaona, ravahana vakodrazana momba ny fiotazam-bokatra fahiny. Notapahina tamin’ny antsim-bilona ny vary, natambatra ho fehezany ary nofatorana tamin’ny tanana. Indro anefa, rehefa nifarana ny asa, indreo ny raim-pianakaviana, ny renim-pianakaviana ary ireo zanany fa nandohalika teo amin’ny saha voajinja. Fa inona izato ataony ? Lavitra loatra izy ireo ka tsy misy re izay lazainy, nefa mazava ho azy fa mivavaka sy misaotra an’Andriamanitra noho ny vokatra izy ireo. Nanohina ny foko izany zavatra izany ; nijery izany aho ary nitomany ; toy ny hoe teo an-tsaha teo Andriamanitra…

Nanomboka hatreo aho dia nitodika tamin’Andriamanitra.

Taona maro tatỳ aoriana, tamin’ny fotoanan’ny hafanana mandoro, dia nitsangantsangana teny amin’ny saha nodanihin’ny masoandro izahay nony hariva. Voly maro no notandindomin-doza tamin’io taona io. Tazanay ny milina lehibe fijinjana sy fikapoham-bary nitelina ny vary sady mandroso miadana teo anivon’ny saha midadasika. Tena mahavariana ! Tohina indray ny foko, amin’ny maha mpino ahy, nijery ela izany. Noho ny famindrampony, Ilay Andriamanitsika dia mbola manome antsika io vary io, izay hanjary sakafontsika isanandro. Ilay ankohonana nandohalika teo afovoan’ny saha dia azo antoka fa nivavaka hoe : „Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay”. Fa ankehitriny, ilay mpamboly angamba dia tsy hidina avy eo amin’ny miliny mba hisaotra an’Andriamanitra noho ny vokatra.

Ary izaho, afaka manao izany amin’ny foko manontolo ve aho rehefa hisakafo ?

Alain