Talata 23 Avrily 2024
Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy ; mahagaga ny asanao ; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Salamo 139:14
Tamin’ny nanamboaran’Andriamanitra ny tena… 1 Korintiana 12:24
Ny vatan’olombelona dia iray amin’ireo sanganasan’Andriamanitra. Davida mpanjaka, nanoloana ny firafitry ny tenany, firafitra mahatalanjona, dia naneho ny figagany ao amin’ny Salamo 139.
Ny vatantsika dia voarafitra singa maro tena samihafa, manana toetoetra sy anjara asa miavaka, nefa miara-miasa ao anaty firindrana lavorary. Ny singa sasany dia afaka andrenesana, misy hafa natao hamelomana ny taova, nefa samy ilaina avokoa izy rehetra. Raha mandinika ny vatan’olombelona isika, dia sarotra ny tsy hino fisiana Andriamanitra Mpahary, tsitoha, ary manana haranitan-tsaina ambony lavitra dia lavitra noho ny antsika.
Ny Baiboly koa dia miresaka vatana an’ohatra, tsy hoe tahaka hevitra sainina fotsiny anefa izany, fa tahaka zavamisy ara-panahy, dia ny Tenan’i Kristy. Io Tena io dia voarafitr’ireo rehetra mino ny sorona nataon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, ary nandray Azy ho Mpamonjiny.
Amin’ny alalan’io kisarisarin’ny vatan’olombelona io Andriamanitra dia te hanampy antsika hahatakatra ny lanja sy hakanton’izany fitambaran’ny mpino izany, mpino nantsoina hiaina amina fomba mirindra, ka ny tsirairay samy ilaina, nefa ihany koa mila ny rantsambatana hafa.
„Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra” (Romana 12:4-5).
„Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray” (1 Korintiana 12:13).