Alarobia 24 Avrily 2024
Ary raha nitory ny amin’ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy (Paoly), dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe : Mandehana angaloha ; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho. Asan’ny Apostoly 24:25
Anio, raha hihaino ny feony ianareo aza manamafy ny fonareo. Hebreo 4:7
Natosiky ny fahalianana te hahalala ny mpanjaka Louis XIV, ka naniry hihaino ilay mpitoriteny malaza sady eveka Massillon, izay nahasarika olona maro hatrany noho ny lahateniny. Nampihetsi-po mafy ny mpanjaka ny toriteny hentitra nataon’i Massillon. Nasainy nankany amin’ny lapany tany Versailles izy ka nilazany hoe : „Mpandahateny marobe no efa reko, ary tamin’ny ankapobeny dia nahafaly ahy izy ireo, fa maninona aho no tsy faly amin’ny tenako rehefa avy nihaino anao ?”
Araka izany, ity mpanjaka miseho ho mpivavaka ity, izay tery saina sady tena meloka, dia voakasika tao amin’ny fieritreretany, tamin’ny haranitry ny „sabatry ny Fanahy”, dia ny Tenin’Andriamanitra (Efesiana 6:17). Tsy manasohaso an’iza na iza ny Tenin’Andriamanitra, fa kosa maneho amin’ny olona, na inona na inona toerana misy azy eo amin’ny fiarahamonina, ny maha izy azy manoloana ny fahazavan’Andriamanitra, dia mpanota an-dalam-pahamelohana, izay tsy afaka ho voavonjy afa-tsy amin’ny ran’i Jesosy Kristy. Tohina tamin’izay henony i Louis XIV ka nilaza ny fikasany hihaino ny toritenin’i Masillon, na dia indray mandeha isantaona ihany aza. Saingy tsy naharay fanasana hafa avy taminy intsony ilay mpitoriteny.
Indray mandeha farany nefa dia voatendry handray fitenenana manoloana ny mpanjaka i Massillon. Ny lahateniny, izay voatahiry ny votoatiny, dia nanomboka tamin’ny teny hoe : „Andriamanitra irery no lehibe, ry rahalahiko isany…” Fa tamin’ity indray mandeha ity ny mpanjaka Louis XIV, izay nantsoina hoe ilay Lehibe, dia tsy afaka nandre azy intsony ; nandry tao anatin’ny vatampatiny izy. Kabary am-pandevenana ho azy mantsy tamin’izay.
„Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena” (2 Korintiana 6:2).