Alakamisy 25 Avrily 2024
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo, hikambanana amin’ny tsy mino. Fa… inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina ?… Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino ? 2 Korintiana 6:14-15
Nifankahalala tamin’i Laura, mpiara-mianatra aminy mahafinaritra i Lioka, tovolahy kristiana. Nitovy fijery izy ireo, ka lasa mpinamana ary nanjary nifankatia mihitsy. Niresaka momba izany tamin’ny ray aman-dreniny i Lioka : „Tena natao hiaraka izahay ! Ny tsininy kely fotsiny : tsy kristiana izy. Saingy mahaliana azy ny finoako, tena malala-tsaina izy, ary mametraka fanontaniana maro amiko. Mila ahy izy. Te hanaraka ahy any amin’ireo fivoriana kristiana izy. Hiova fo ho an’i Kristy izy, azoko antoka izany !”
Nampitandrina azy ny ray aman-dreniny : Ahoana no iheverana fiaraha-miaina ? nefa tsy mifampizara, dieny etỳ am-piandohana, ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ny mpino sy hisy fiantraikany amin’ny safidy hatao. Ahoana no hahafahana miara-miaina ? nefa tsy mitovy ny laharam-pahamehana sy ny zava-mahaliana.
Nefa tsy nisy nampihemotra an’i Lioka tsy hanambady an’i Laura ! Herintaona taorianan’ny mariazy, mbola tsy nanaraka an’i Lioka tany amin’ny fivoriana kristiana ihany i Laura, ary tsy nahaliana azy intsony ny finoana. Zavatra hafa no nahaliana azy. Avy eo i Lioka dia tsy nifanerasera intsony tamin’ireo namany kristiana. Nony farany dia niala teo amin’ny latabatra kely eo an-doham-pandrianany ny Baiboliny, lasa tany anaty vata sarihina.
Ry tanora namana, aza manonofinofy. Raha tena kristiana ianao, dia an’Ilay Mpamonjinao : tsy ho sambatra ianao miaraka amina olona tsy kristiana. Ny zava-mitranga matetika kokoa dia ny tsy mino no misarika ny kristiana hanalavitra an’Andriamanitra, fa tsy ny mifamadika amin’izany. Raha ilay olona tianao no nomanin’Andriamanitra ho vadinao, dia Izy ihany no handray an-tanana ny fisarihana azy hanatona Azy sy hanova ny fony, alohan’ny hirosoanao amin’ny fanambadiana, toy ny efa niainana kristiana maro ka nahasambatra azy ireo. Avelao Andriamanitra no hikarakara ny tena fahasambaranao !