Zoma 26 Avrily 2024
Fa hoy Jesosy taminy : Hainao hoe ? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino… Mino aho ; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako. Marka 9:23-24
„Ary ny anankiray tamin’ny vahoaka namaly ka nanao hoe : Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako lahy, izay azom-panahy moana ; ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy…
— Ento etỳ amiko izy.
Dia nentiny teo aminy izy ; fa nony nahita an’i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ny fanahy. Dia lavo tamin’ny tany izy, sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe :
— Ohatrinona izay no nahatongavan’izao taminy ? Ary hoy izy :
— Hatry ny fony izy mbola zaza. Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy, hamonoany azy ; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. Fa hoy Jesosy taminy :
— Ny „hainao hoe ?”, dia midika hoe : Minoa ! Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. Ary niaraka tamin’izay dia niantso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe : Mino aho ; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako.
Niteny mafy ny fanahy maloto Izy [Jesosy] ka nanao taminy hoe :
— Ry fanahy moana sy marenina ! Izaho mandidy anao : Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.
Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy ; ary efa toy ny maty izy, ka dia nataon’ny maro hoe : Maty. Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy ; dia nitsangana izy…
Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe : Izahay tsy nahavoaka azy. Ary hoy Izy taminy : Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona, afa-tsy amin’ny fivavahana ihany.”
Ndao hanatona an’i Jesosy mba hanambara aminy ireo zava-manahirana antsika, na fahoriana, na fahasahiranan-tsaina, ary handray ny fahasoavany.