Asabotsy 27 Avrily 2024

Nitondra ny aretintsika tokoa Izy, sady nivesatra ny fahoriantsika ; kanjo isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isaia 53:4-5

 

Nitory an’i Jesosy taminy izy (1)

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mitatitra amintsika izao Teny izao, momba ny iray tamin’ireo kristiana voalohany :

„Dia nitsangana izy [Filipo] ka lasa nandeha ; ary indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan’i Kandasy, mpanjakavavin’ny Etiopiana… tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka ; dia nody izy ka nipetraka teo anatin’ny kalesiny ary namaky teny tao amin’Isaia mpaminany. Dia hoy ny Fanahy tamin’i Filipo :

— Andeha manatona ka mankanesa amin’io kalesy io. Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin’Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe :

— Moa fantatrao va izay vakìnao ? Fa hoy izy :

— Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy ?

Ary izy nangataka an’i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy.

Ary izao no tenin’ny Soratra Masina novakìny : „Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondry moana eo anoloan’ny mpanety azy ; ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra ; ary iza no hahalaza ny amin’ny niara-belona taminy ? Fa ny ainy nesorina tamin’ny tany” (Isaia 53:7-8). Ary ilay tandapa namaly an’i Filipo ka nanao hoe :

— Masìna hianao, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany ? Ny tenany va, sa olon-kafa ? (Asan’ny Apostoly 8:27-34)”.

Nahita ny tempoly io Etiopiana io, nahare ny hiran’ireo salamon’i Davida. Saingy tsy nifanena tamin’Ilay nameno io tempoly io fahiny, Izay nanisy aingam-panahy teo amin’ny fanompoam-pivavahana… ary noroahin’ny olona nony farany.

Nandritra ny fety dia vakina ny fizarana voalohany ao amin’ny Baiboly. Nipetraka tao anatin’ny kalesiny ilay Etiopiana, namaky lahatsoratra iray an’ny mpaminany Isaia. Tamin’izay fotoana izay Andriamanitra no naniraka kristiana iray antsoina hoe Filipo, mba hanambara aminy an’i Jesosy.