Alahady 28 Avrily 2024

Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra. Jaona 6:68-69

 

Nitory an’i Jesosy taminy izy (2)

Nasain’ilay tandapa Etiopiana nipetraka teo anilany i Filipo, nanazava taminy ny teny ao amin’ny Soratra Masina notanisaina omaly (Isaia 53:7-8). Tsy afaka nahatakatra io andalan-tsoratra io ireo mpisorona tao Jerosalema, satria vao avy nanombo Ilay Mesiany teo amin’ny hazofijaliana.

— Iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany ? hoy ilay Etiopiana.

Io fanontaniana io dia nitarika an’i Filipo hiresaka olona iray : Jesosy Kristy voahombo teo amin’ny hazofijaliana, nefa Mpamonjy izao tontolo izao. Izy no Ilay nambara tamin’ilay faminanian’i Isaia. Nino Azy ilay Etiopiana, ka lasa nody tam-pifaliana.

Ianao koa angamba, ankehitriny, mitebiteby toa an’io lehilahy io, tsy nahita olona teo amin’ireo mpivavaka tamin’ny fotoanandrony, afaka nanazava taminy ny tenin’ny mpaminany. Maro ny toa azy ankehitriny, diso fanantenana, foana ny fo. Tsy nitondra na inona na inona ho azy ireo ny fanompoam-pivavahana, fombafombam-pivavahana, fety eo amin’ireo toeram-pivavahana nalehany.

Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia mihoatra lavitra noho ny antokom-pivavahana sy ny fanaon-drazana. Notsiratsiraina izy, nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, noheverina ho toy ny jiolahy, nefa kosa nanolotra ny ainy tamin’Andriamanitra, mba hizaka ny famaizana sahaza ny fahotantsika. Izany no sarany mba hamelan’Andriamanitra heloka sy hamindrany fo.

Koa inona àry no tokony hatao, mba ho voavonjy ?

„Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao” (Asan’ny Apostoly 16:31).

(tapitra)