Alatsinainy 29 Avrily 2024

Dia nandroso ny tenin’Andriamanitra ; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema. Asan’ny Apostoly 6:7

Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy. Romana 10:17

 

Ndao hivavaka ho an’i Iran (4)

Leila, vehivavy iraniana 34 taona, dia nanoratra hoe : „Nanana fahazarana nandray feo ireo fandaharana amin’ny fahitalavitra ataona pasitera iray aho. Nataony tsapako ny hoe nahoana no misy ny ota sy ny fijaliana… Ilay fandaharana dia mitondra ny lohateny hoe „Andriamanitra dia fitiavana”. Nihevitra aho fa azoko izay nolazainy, satria roa taona talohan’izany aho dia nahita sarimihetsika momba an’i Jesosy, ary nivavaka taorianan’izany. Namaly ny fanontaniana rehetra nety nananako ilay pasitera. Namaly hatrany ireo fanontaniana tao an-tsaiko tamin’ny herinandro lasa ny fandaharany isan-kerinandro. Herinandro fito nisesy no nitranga izany. Ny herinandro farany, talohan’ny nijereko ny fandaharana, dia nolazaiko tamin’ny vadiko ireo fanontaniana mipetraka amiko, ary hoy aho taminy : „Jereo anie”. Mbola namaly ny fanontaniako rehetra indray ny hafatra nampitain’ilay pasitera… Fandaharana teo amin’ny zato tamin’ireny no noraisiko feo ary nojereko. Afaka roa herinandro aho dia nibebaka noho ny fahotako ary nangataka an’i Jesosy hiditra eo amin’ny fiainako.”

Ny mpino iraniana miditra an-tsehatra mitory ny Filazantsara ao amin’ny fahitalavitra, onjam-peo ary internet dia manamafy fa tsy mitsahatra mitombo ny fiovam-po hino an’i Kristy any Iran. Olona an’arivony maro no mitodika amin’i Jesosy Kristy, isantaona, noho ireny fandaharana ireny.

Mba hahamora ny fampielezana ny Baiboly any Iran, dia nisy fandikan-teny môderina ny Testamenta Vaovao amin’ny teny persiana, natonta tamin’ny taona 2003. Latsaky ny folo taona tatỳ aoriana dia an-tapitrisany no voatonta sy voaely nanerana ny firenena manontolo. Ndao hivavaka ho an’ny Filazantsara any Iran !

(tapitra)