Talata 30 Avrily 2024
Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. 1 Korintiana 12:12
Ny kristiana dia tsy vitan’ny hoe mifampiankina fotsiny, toy ny fifampiankinan’ny rantsambatana, fa miara-mandrafitra „ny tenan’i Kristy”, „fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy” (Efesiana 2:22).
Noresahin’ny apostoly Paoly ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, sy ny fanomezam-boninahitra Azy, ary ny fampiakarana Azy any an-danitra ; avy eo izy dia nanoratra hoe : „Nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambany tongony Izy (Andriamanitra), ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana, izay tenany, dia ny fahafenoan’Izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ny rehetra” (Efesiana 1:22-23).
„Ary Izy no Lohan’ny tena, dia ny fiangonana ; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ny maty, mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy” (Kolosiana 1:18).
Araka izany, Kristy dia aseho ho Lohan’ny Tena, fa tsy hoe iray amin’ny rantsambatana fotsiny (1 Korintiana 12). Amin’ny teny fototra grika, dia teny iray ihany no milaza ny hoe „lehibe mpitarika” sy hoe „loha”. Ny Fiangonana no Tenany, misitraka tsy tapaka ny asany lavorary. Kristy no Loha, satria ny loha no mampihetsika ny vatana, toy ny lohan’ny vatan’olombelona no ivo iaingan’ny hery mampihetsika. Izy koa no Ilay manapaka ny Fiangonana, araka ny maha Lohany Azy. Koa hita izany fa asehon’ny Baiboly ny Fiangonana, izay voarafitry ny zanak’Andriamanitra rehetra, tsy hoe fikambanana naorin’olombelona, fa vatana velona, hetsehin’ny ain’Andriamanitra.
Kristy no „Loha… itomboan’ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ny famavany sy ny ozatra, araka ny fampitomboan’Andriamanitra” (Kolosiana 2:19).