Alarobia 1 Mey 2024

(Hoy Jesosy :) Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy ; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy… Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. Jaona 6:37, 40

 

Tsy nahafantatra aho !

„Mpitsabo mpanampy no asako, tao amina hôpitaly iray any Soisa. Mipetaka ao amin’ny sampan-draharaha tsirairay ny alimanaka „Ilay Voa Tsara Nafafy”. Vehivavy zokiolona iray nilaza ny tenany ho kristiana, nefa natahotra ny ho faty, no nokarakaraiko. Nasaiko namaky ny takelaka ho an’io andro io izy, ary nekeny tam-pifaliana izany. Nisaraka izahay taoriana-na vavaka fohy.”

Ny ampitso dia izy no marary farany notsidihiko ny hariva, ary resaka nahafinaritra no nitarika anay indray hamaky ny takelaka ho an’io andro io. Ny andinin-tSoratra Masina voatondro dia tenin’i Jesosy hoe : „Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy”. Nanaraka izany ny fijoroana ho vavolombelona nataona Jiosy iray, izay nahatakatra fa Jesosy tokoa no Ilay Mesia nambaran’ny mpaminany. Tsy hoe hanjaka eo amin’ny olony anefa, fa ho Ilay sorona ilaina ho famonjena ny olona.

Nananosarotra ho an’ity vehivavy ity ny hahatakatra izany. Nanontany azy aho hoe : „Fantatrao ve ny antony nahafatesan’i Jesosy ?” Namaly izy hoe „tsia”, ka nohazavaiko taminy, mifanaraka amin’io tantara io, fa maty Jesosy hamonjy antsika, mba ho voavela ireo fahotantsika, mba ho afaka amin’ny fahafatesana isika sy hahazo ny fiainana mandrakizay.

Naverimberiny ny hoe : „Hay, tsy nahafantatra aho…”

Nanontaniako izy raha te handray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. „Eny”, hoy izy. Dia nivavaka izahay, ary nandao azy aho ka nitaona azy hiresaka amin’Andriamanitra „ao am-pony”, satria sarotra taminy ny hiteny mafy hanao izany.

„Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.” „Jehovah no handray ny fivavahako.” (Salamo 4:1 ; 6:9).