Alakamisy 2 Mey 2024
Ary hoy izy (ilay jiolahy) : Jesosy ô, tsarovy aho… Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:42-43
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16
Mba eritrereto anie, hoe aseho ao anaty gazetin’antso sy filazana izao teny izao : „Amidy : toerana iray any am-paradisa — Miady varotra”.
Vonona handoa ohatrinona aho, mba hahazo antoka fa ho any am-paradisa rehefa maty ? Maro ny ho vonona hanome vola tsy toko tsy forohana, raha mahazo antoka fa matotra io filazana io. Misy manao ezaka be sy miafy fatratra, noho io tanjona io indrindra. Tsy voatery ho ezaka ara-bola tsy akory, fa ezaka ara-pivavahana isan-karazany. Mazava ho azy fa tsy hisy karazana filazana toy io, hipoitra any amina gazety.
Nefa fantatrao ve fa misy filazana iray toy io ao amin’ny Baiboly ? Hafa ny fanoratra azy ao, satria tsy amidy ilay toerana, sady tsy iadiana varotra ny sarany. Nahoana moa ? Satria tsy misy olona hahavita mividy izany toerana izany. Andriamanitra dia efa nanefa ho antsika ny saran’izany, ary lafo dia lafo ny nividianany azy. Nataony sorona ny Zanany Lahitokana sy malalany, mba hanolorany toerana any am-paradisa ho ana olona meloka. Ny ra sarobidin’i Jesosy irery ihany no afaka mamafa ny fahotan’ireo izay mino Azy, sy manome azy ireo lalana malalaka hidirana any an-danitra (1 Petera 1:18-19).
Izao ny filazana ataon’Andriamanitra : „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31). Tsy misy resaka sarany, satria maimaimpoana ny famonjena. Ary indrindra, satria maimaimpoana izany, dia maro ny olona manao tsinontsinona io tolotra io. Te handoa ny vidiny izy, na fara fahakeliny, mba handray anjara amin’izany.
Hentitra ny Baiboly : raha te hisitraka ny fahasoavan’Andriamanitra ianao, dia tsy maintsy mandray izany maimaimpoana.