Zoma 3 Mey 2024

(Hoy Jesosy :) Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ny Israely aza. Matio 8:10

Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe : Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao ? Matio 14:31

 

Finoana lehibe, finoana kely

Jesosy dia nankasitraka ny finoan’ireo izay nanatona Azy.

— Hoy ny kapiteny romana iray taminy : „Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin’ny paralysisa ka mijaly loatra. Dia hoy Jesosy taminy : Ho avy Aho hahasitrana azy. Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe : Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho ; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko” (Matio 8:6-8).

Niaiky ilay kapiteny fa tsy mendrika handray an’i Jesosy any an-tranony, satria talanjona tamin’ny fahefan’i Jesosy, ny fitiavany ary ny heriny. Nefa rehefa niteny taminy Jesosy hoe : „Ho avy Aho hahasitrana azy”, dia nanaiky io teny io tam-patokiana izy, izany hoe nino izay nolazain’i Jesosy. Nambaran’ny Tompo ho „finoana lehibe” izany. Izany finoana izany, mandraka ankehitriny, dia mbola hain’ny olona tsirairay ananana…

— Ny hoe „finoana kely” dia tsy midika ho tsy fisiana finoana. Rehefa teny ambonin’ny farihin’i Genesareta ny mpianatra ka tojo tafiodrivotra, dia nahita an’i Jesosy nandeha teny ambony rano. Dia hoy i Petera taminy : „Tompoko, raha Ianao ihany, dia asaivo manatona Anao eny ambonin’ny rano aho”. „Manatòna”, hoy Jesosy namaly azy (Matio 14:28). Noho ny finoany an’Ilay nanome izany baiko izany, dia niala tao amin’ny sambokely i Petera ka nandeha. Saingy „raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra”. Nilentika izy, nihozongozona ny finoany. Niaraka tamin’izay ny Tompo dia nandray azy tamin’ny tanany ary niteny taminy hoe : „Ry kely finoana”. Nefa, iza amintsika no ho sahy niala ny sambokely rehefa niantso ny Mpampianatra ?

Ry mpino namana, aza kivy isika ; ho eo mandrakariva ny Tompo mba hamonjy ny olony, mba hanatsotra ny tanany amintsika sy handray antsika, rehefa manomboka milentika isika. Aoka isika tsy hitaredretra handray izany.