Asabotsy 4 Mey 2024

Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy (Jesosy). Hebreo 7:25

… mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana, noho ny tahotra ny fahafatesana. Hebreo 2:15

 

Fa inona moa izany no tsy ampy ao amintsika e ?

Any amin’ny tany tandrefana dia nanorina tontolo mampiadana sy mampilamin-tsaina ny siansa, ny teknika, ny rafitra ara-piarahamonina sy ara-pôlitika. Noho izany dia tsy mila an’Andriamanitra intsony ny olona ! Ny seho ivelany kristiana sy ny endri-pivavahana dia natao ho renty mahafinaritra fotsiny. Ankehitriny ny olona dia olom-pirenena sy mpanjifa. Andriamanitra dia nampiriminy any anaty vata. Tsy nisy an’Andriamanitra izy no nandavaka banga ao anatiny, banga ezahiny totofana amina hevi-petsy isan-karazany. Ny olona dia mikatsaka mandrakariva fiadanana sy fitiavana tena izy. Mila manantena any ankoatran’ny ankehitriny izy. Tsy afaka mahatanteraka izany filana izany ny tontolo ara-karena naoriny.

Raha ny marina, ny olona noarìna tahaka ny endrik’Andriamanitra dia mila Ilay Mpahary azy. Tsotra dia tsotra izany ! Ny fahadisoany lehibe indrindra, izay manameloka azy ho mandrakizay, dia ny fandavany hanaiky izany. Andriamanitra anefa efa nanao ny zavatra rehetra mba hatokiantsika Azy. Maneho ny tenany Izy ao amin’ilay Boky tokana, tsy hay soloina zavatra hafa, dia ny Baiboly. Ambaran’io Boky io antsika fa indray andro Andriamanitra dia naka endrik’olombelona tao amin’i Jesosy Kristy. Mila Mpamonjy ny olona, eo amin’ny toerana misy azy. Io Mpamonjy io anefa dia tsy iza fa Jesosy. Jesosy Ilay nanefa ny saran’ny fandavantsika sy faniratsirantsika an’Andriamanitra. Jesosy Ilay afaka mampiaina antsika ao amina fifandraisana amin’Andriamanitra. Izy irery no afaka mameno ny banga ao anaty fontsika. Te hanao izany Izy, nefa mba hanatanterahany izany, dia tsy maintsy raisintsika io Mpamonjy io sy ny sorona nataony, raisintsika am-pinoana, izany hoe am-patokiana. Henoy Izy, miantso anao hoe : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28).