Alahady 5 Mey 2024

Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Jaona 1:18

[Jesosy] nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. Asan’ny Apostoly 10:38

 

Jesosy : iza moa Izy ? inona no nataony ?

Andriamanitra dia fanahy, ary tsy nisy nahita Azy, na oviana na oviana. Mba hampahafantarany ny tenany amin’ny olombelona, dia tsy maintsy nanjary olombelona Izy, tao amin’i Jesosy Zanany.

Jesosy dia olona lavorary nambaran’ny mpaminany mialoha, olona toa antsika rehetra, tetỳ an-tany, saingy tsy nisy ota, ary hafa aoka izany noho ny rehetra, satria niaina tao anaty fiombonana tanteraka amin’Andriamanitra Rainy. Satria tsy takatry ny olona ny fitiavany lavorary, satria nanambara ny marina Izy, dia nolavin’ny ankamaroan’ny mpiara-belona taminy.

Nefa mbola tsy nisy niaina toa Azy. Tsy mba niaina ho an’ny tenany Izy, fa ho an’ny hafa. Jesosy no Ilay Lehilahy ory, niharan’ny mafy sy ny hasasarana (Isaia 53:3). Ny fiainany feno asa, na tsy takatry ny olona aza, dia nampiditra ny fitiavan’Andriamanitra hatraiza hatraiza, na hatrany amin’ny toerana miafina indrindra ao amin’ny fiarahamonina aza, toerana nisy ireo filana lehibe indrindra. Ny olona ory, ny voailika, dia notadiavin’ny fitiavan’Andriamanitra. Jesosy dia niresaka tamin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka.

Jesosy dia tsy niova, na oviana na oviana ; tsy mba nivaona mihitsy ny halavorariny. Nanasitrana olona marary Izy, nanafaka olona nandevozin’i Satana. Izy dia nanova lehilahy sy vehivavy maro ho olom-baovao, voavela heloka, sambatra rehefa avy nafahana.

Nefa tsy ampy ny fiainany lavorary sy feno fahafoizan-tena. Mba hamonjeny antsika sy hanomezany antsika ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy nijaly Jesosy, Ilay fahazavan’izao tontolo izao, ary tsy maintsy nanolotra ny ain’Izy tenany mihitsy.

Raha mbola tsy mahafantatra io Mpamonjy mahatalanjona io ianao, dia manatòna Azy mba hianatra hahalala Azy !