Alatsinainy 6 Mey 2024

Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko ; ampaherezo aho araka ny teninao. Salamo 119:28

Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko ? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao ? Manantenà an’Andriamanitra. Salamo 42:11

 

Hakiviana

Mety hisy fotoanan’alahelo sy hakiviana, indraindray, eo amin’ny fiainan’ny kristiana iray. Ahoana ny hihoarana ireny fotoana ireny ? izay tsy isian’ny fifaliana, ary maha mihalefy ny fitiavana hiaina aza.

Ny Baiboly dia mampiseho olon’Andriamanitra nandalo fotoan-tsarotra nahakivy. Joba, izay niharana fitsapana mahery vaika, dia naniry ny tsy ho tonga teto an-tany mihitsy (Joba 3:11). Davida mpanjaka, rehefa avy nanota, dia niangavy an’Andriamanitra mba hampody aminy ny fifaliana amin’ny famonjen’Andriamanitra (Salamo 51:12). Elia mpaminany, nandresy ireo mpaminany mpanompo sampy, nefa dia nandositra, kivy, ary nangataka an’Andriamanitra hanala ny ainy (1 Mpanjaka 19:3-5).

Ahoana ny nihoaran’ireo olona ao amin’ny Baiboly ireo fotoana toy izany ? Joba dia nohazavain’ny halehiben’Ilay Andriamanitra Mpahary, Izay mifehy ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika (Joba 42:2-6). Davida, rehefa avy niaiky ny fahotany, dia nafahan’ny famelan-keloka omen’Andriamanitra, ary nahita indray ny fifaliana hihira (Salamo 32:5-7). Elia dia nampiononin’ny tenin’Andriamanitra mivantana, avy eo nampian’i Elisa, nirahin’Andriamanitra (1 Mpanjaka 19:12-21).

Mila ny fanampian’Andriamanitra avokoa isika rehetra ; koa aoka tsy hifantoka amin’ny tenantsika samirery. Raha mahafantatra ny Tompo isika, ndao hitodika aminy. Tsy niteny tamin’ny apostoly Paoly, izay diso fanantenana, ve Izy ? hoe : „Ampy ho anao ny fahasoavako.” Nasehon’ny Tompo an’i Paoly fa nomba an’i Paoly ny herin’ny Tompo ary niasa, rehefa tsy nanan-kery iny indrindra i Paoly (2 Korintiana 12:9-10). Mampahery antsika ihany koa Andriamanitra, amin’ny alalana namana, na olona afaka iresahantsika ny fahoriantsika. Aoka isika hihaino azy ireny.