Talata 7 Mey 2024
Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ny tena araka ny sitrapony… Raha ny tongotra hanao hoe : Satria tsy tànana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin’izany dia tsy momba ny tena va izy ?… Ny maso tsy mahazo manao amin’ny tànana hoe : Tsy mila anao aho. 1 Korintiana 12:18, 15, 21
Ao amin’ny fiandrianany sy ny fahendreny, Andriamanitra dia manome, ho an’ny mpino tsirairay, toerana sy asa voafaritra mazava tsara ao anatin’ny Tenan’i Kristy. Toy ny an’ny olombelona, izay ny loha no mibaiko ny fandehan’ny tena, dia Kristy, Izay Lohan’ny Fiangonana, no mitantana ny rantsambatan’io Tena ara-panahy io, izay Izy no Lohany. Koa ny rantsambatana tsirairay dia tokony hahafantatra ny toerany sy ny fanompoana omen’ny Tompo azy isanandro isanandro, ao anaty fiombonana manokana amin’i Jesosy. Ny kristiana tsirairay dia mandray ny loharanon-kery ilaina mba hanatontosany izay ankinin’ny Tompo aminy sy hanatanterahany ny anjara asany.
Raha ampahalalan’Andriamanitra ahy fa „tongotra” aho ao anatin’ny Tena, dia tsy hialona ny asa fanompoana sitrak’Andriamanitra nomena ny „tanana”. Ary raha „maso” aho, dia tsy hanao tsinontsinona ny „tanana” (andinin-tSoratra Masina androany).
Mety mihevitra angamba aho fa tsy misy dikany, satria rantsambatana „miafina”. Diso aho raha misaina toy izany, satria matetika ny rantsambatana miafina navelan’Andriamanitra tsy ho hita no tena mahasoa kokoa noho ireo hita maso. Toy ny ao anatin’ny vatan’olombelona, ireo taova kely dia kely sy sarotra hita no tena zava-dehibe iankinan’aina.
Aoka hotehirizintsika ao an-tsaina mandrakariva fa isika mpino rehetra no mandrafitra ny Tenan’i Kristy. Noho izany isika dia tsy maintsy mivavaka mba hahatsara ny zanak’Andriamanitra rehetra, fantatra na matetika tsy fantatra ihany koa. Ny Baiboly dia mampirisika antsika hanao fangatahana ho an’ny mpino rehetra (Efesiana 6:18).