Alarobia 8 Mey 2024

Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8

(Hoy Jesosy :) Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Marka 16:15

 

Ny hamoram-panahin’Andriamanitra

Tany anaty ala mikitroka breziliana, izay nitoriana ny Filazantsara tamina foko kely iray, dia hoy ny lehiben’ilay vondron’olona : „Nino hatrany izahay fa diso fanantenana lalina taminay Ilay Mpahary antsika, ka lasa nandositra ary nahafoy anay. Ankehitriny dia fantatray fa nankatỳ aminay aza Izy, ary nanokatra lalana ahafahanay miverina aminy.”

Takatr’io lehibe-na foko io ny ambaran’ny Filazantsara nefa tsy fantatr’olo-maro na laviny tsy hinoana, hoe Jesosy dia tonga olona mba hamonjy antsika. Raha tsy izany mantsy dia efa elabe Andriamanitra no ho nanilika sy nanameloka antsika, noho isika rehetra ratsy sy mandiso fanantenana. Nefa ny Baiboly dia manambara hoe : „Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika” (Titosy 3:4-5). Dia tena tia antsika tokoa Andriamanitra ! matoa naniraka an’i Jesosy Zanany, hitafy ny maha olona antsika ary ho faty hamonjy antsika. Io fitiavana io, izay tsy afaka oharina amin’ny fitiavan’ny olombelona, no ahafahantsika manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy. Io fitiavana io dia niseho teo amin’ny hazofijaliana, nanomboana an’i Jesosy, Izay nanaiky ho faty hisolo toerana antsika, mba hiaritra ny fanasaziana tandrify ny fahotantsika. Tsy takatry ny saintsika olombelona izany, nefa amin’ny finoana dia manaiky izany ny mpino ary mitahiry izany ao am-pony. Ny finoana dia manome azy fiadanana, fifaliana, ary ny antom-pahavelomana tsara indrindra. Tian’Andriamanitra ny mpanota ary antsoiny hanatona Azy, fa ny fahotana kosa dia tsy maintsy faiziny, satria Izy dia Ilay Andriamanitra masina ihany koa.