Alakamisy 9 Mey 2024
Jesosy namaly azy hoe : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota. Jaona 8:34
Koa raha ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Jaona 8:36
„Tsy te hampiditra an’i Jesosy ao amin’ny fiainako aho, te halalaka amin’ny safidiko, tsy misy hery mampanaiky na fitsipika.”
Nefa… eto tsy miresaka fanakalozana ny fahafahanao sy ny fahalalahanao hisafidy, amina fiainana manaiky olon-kafa sy ny fiheviny… satria efa izany no zavamisy ! Na iza ianao na iza, ny fomba andraisanao fanapahan-kevitra dia misafelika, voatariky ny namanao, ny môdelinao, ireo tambajotram-pifandraisana, ary antontam-pinoana maro mandeha ho azy. Miova haingana dia haingana ireo soatoavina sy fanirianao manokana, ary tsy malalaka ianao, satria voagejan’ny fitsiriritanao sy tsy mahatohitra azy ireo. Noho izany, tsy misy eto hoe misafidy rafitra soatoavina noforonin’ny faharanitan-tsaina sy ny fahendren’olombelona, izay heverinao ho toa mitombina sy tsy maneritery indrindra.
Tsy ho tena afaka ianao, raha tsy miantso an’Andriamanitra, Ilay nahary anao. Izy irery no mahay manome anao ny fahafahana tsy hanota intsony sy tsy ho eo ambany fanandevozan’ny ratsy intsony, ary fahafahana hiaina tsy misy sakantsakana !
Jesosy, Ilay tsy miova, no afaka manome anao ireo soridalana tsy mihozongozona, ireo fenitra mafy orina tadiavinao, mba hanorenanao fiainana madio sy mirindra, lavitry ny fisalasalana.
Toa ohatra ny haha monamonaina antsika ny olona iray tsy miova mihitsy. Nefa rehefa fantatrao fa io „olona” io anie dia Andriamanitra, mahita ny zavatra rehetra, mahafantatra ny zavatra rehetra, hendry sy tia tanteraka, aiza indray, eto amin’ity tontolo miovaova ity, no hisy fitoniana mihoatra noho ny fahafahana miresaka sy mametraka ny fanontanianao aminy, Ilay te ho Sakaizanao ? Jesosy dia te hanome anao ny fanalahidy hirosoanao ho amin’ny fiadanana sy am-pifaliana. Io fanalahidy io dia hoe : „Sokafy aminy ny fonao”, avelao Izy hiditra ao amin’ny fiainanao.