Zoma 10 Mey 2024

Rakotra ondry ny saha ; ary voasarona vary ny lohasaha : mihoby izy, eny, mihira koa. Salamo 65:13

Lehibe ny asan’i Jehovah… Madera sady malaza ny asany ; ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. Salamo 111:2-3

 

Indray andro any, hihira ny voary

Eny, hihira fifaliana ny voary ! Anisan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly izany. Rahoviana izany no ho tonga ? Rehefa hametraka ny fanjakany feno fahamarinana sy fifaliana Jesosy Kristy.

Salamo maromaro no manambara io hafaliam-ben’ny fahariana io : „Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy ; dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra any an’ala, eo anatrehan’i Jehovah” (Salamo 96:12-13). „Aoka hiteha-tànana ny riaka ; aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra, eo anatrehan’i Jehovah” (98:8-9).

Tsy izany no zavamisy ankehitriny, satria nony tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny ota, dia niharan’ny voka-dratsiny ny voary : „Voaozona ny tany noho izay nataonao”, hoy Andriamanitra tamin’i Adama (Genesisy 3:17). Nanomboka tamin’izay, „izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento”, miandry ny fanafahana amin’„ny fahandevozana” (Romana 8:19-22). Mijaly fatratra ny voary ankehitriny !

Ny Salamo 111, rehefa avy nanao safeli-teny kely momba ny fahariana —ireo „asan’i Jehovah”-, dia miresaka ilay asany „madera sady malaza”. Io dia fampahatsahivana ny fanafahana ny vahoaka Israely, andevo tany Egypta. Ho antsika kristiana, izany dia mampahatsiahy ny asa tokana aman-tany nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana.

Io asa io no antony lehibe iderantsika, asa mikasika ny fanafahana amin’ny ota sy ny fahafahana manatona an’Andriamanitra. Any an-danitra no hampidiran’ny Tompo antsika. Isika ihany koa dia afaka milaza amin’Andriamanitra ny fitolagagantsika manoloana ny fahariany, ary afaka manaja izany. Voarindra mahafinaritra ny voary, manankarena sy tsara tarehy. Andriamanitra no manome ny aina sy mihazona izany ; ny aina rehetra dia toy ny fiderana miakatra any aminy.