Asabotsy 11 Mey 2024
Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy ; eny, tsy misy afa-tsy Izaho. Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo. Isaia 45:21-22
Izaho dia Izaho ihany no Jehovah, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. Isaia 43:11
Manambara sy mampiseho izany Andriamanitra, manomboka amin’ny fiandohan’ny Baiboly ka hatrany amin’ny fiafarany. Ny maha marina an’Andriamanitra dia miteraka fahatahorana ao am-pon’ny olona, satria fantany tsara fa tsy maintsy hihaona amin’Andriamanitra sy hampamoahiny izy, indray andro any.
Ny fahotana rehetra tokoa mantsy dia faniratsirana an’Andriamanitra avokoa. Tsy maintsy faizina izany. Raha tsy manao izany Andriamanitra, dia sady tsy ho masina tanteraka no tsy ho marina tanteraka. Raha mijanona eo isika, dia tsy afaka manao afa-tsy ny miantsoantso toy ilay mpaminany tanora hoe : „Lozako ! maty aho !” (Isaia 6:5). Mendrika fanamelohana ny fahadisoantsika. Ahoana no hialana amin’izany ?
Nefa indro Andriamanitra fa maneho ny tenany amintsika amina fomba hafa ihany koa : sady mitoetra ho marina Izy no Ilay Andriamanitra Mpamonjy. Andriamanitra irery ihany no manana ireo toetra roa toa tsy afa-miaraka ireo. Mamonjy antsika Izy, satria tanteraka ny fepetra takin’ny fahamarinany manoloana ny ota. Nisy Iray Izay tsy manana ota, nandray teo amin’ny tenany ny fahotantsika ary nisolo toerana antsika, nizaka ny famaizana sahaza antsika. Teo amin’ny hazofijaliana no nitranga izany, nandritra ireo ora nandaozan’Andriamanitra Azy ka nampiharany taminy ny fahatezerany ; Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nanonitra ny fahotan’ireo rehetra mino Azy.
Fa ireo izay mandà ny fahasoavan’Andriamanitra atolony maimaimpoana ankehitriny kosa dia hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra amin’ny hamafiny tsy milefitra, rahampitso.
„Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena” (2 Korintiana 6:2).