Alahady 12 Mey 2024

Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo ; ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Matio 28:19-20

 

Miresaka momba ny finoan’ny tena

Ekena e ! tsy mora ny miresaka an’i Jesosy, na noho ny tahotra ho voailika na ho voaraby, na koa satria tsy vitantsika fotsiny izao ny milazalaza ny fifandraisantsika aminy.

Noho izany isika dia afaka mampahery tena mba handre ny Kristy nitsangana velona indray, manome baiko, toa amina fomba vaovao tanteraka, ny mpianany sy ny mpino rehetra hoe : „Mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra”. Ho amin’izany dia tsy maintsy mandeha mihaona amin’ny hafa, manatona azy ireny. Marina fa maro ireo mpanasoa olona maimaimpoana manao toy izany ary manatanteraka asa lehibe ho an’ny mpiara-belona aminy. Ny kristiana kosa dia mijoro ho vavolombelona hoe miaina zavatra miaraka amin’i Kristy, Ilay inoany. Manana fifandraisana velona sy mahitsy aminy izy, fifandraisana feno fitokiana sy finoana. Miresaka aminy amin’ny alalan’ny vavaka izy, sy amin’ny fihainoana ny Teniny, dia ny Baiboly. Dia hita taratra etỳ ivelany izany fiainana anaty izany. Ny hoe fijoroana ho vavolombelona dia ny ivelomako miaraka amin’i Jesosy, na eo aza ny harefoko sy ireo fanontaniako, ary ny mampiseho fa matoky Azy aho, na eo aza ireo zava-tsy ampoizina miseho eo amin’ny fiainana.

Amin’izany aho dia ho afaka miresaka momba Ilay mameno ny fiainako, dia Jesosy, Izay nanome ahy hafatra marobe mampahery, toy ny hoe : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Ny zava-dehibe, raha zohina, dia ireo tenin’i Jesosy, teny fiainana, teny fitiavana ary teny fanantenana.

Aza hadinointsika fa vavolombelon’i Jesosy isika, fa tsy vavolombelon’ny tenantsika. Ny takelaby mpanondro dia tsy natao hanintona ho an’ny tena, fa kosa mba hanoro lalana.

Ndao hanambara an’i Jesosy (Asan’ny Apostoly 8:35).